• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pev
Image
Vaovao

Taonan’ny vaksiny 2024 : Nezahina nampisitrahana vaksiny ireo ankizy « daozy aotra »

24/12/2024 14:26 © Moov.Mg

Nahatonga ny Malagasy ho mahina amin’ny fanaovam-baksiny ny zaza ny nisian’ny valanaretina COVID-19, izay nanentanana ireo olon-dehibe mba hanatanteraka vaksiny fiarovana. Efa mihamiverina matoky ny fampiasana ny vaksiny ho fanefitra indray anefa ny olona ankehitriny, noho ny fiaraha-misalahy teo amin’ireo mpisehatra rehetra.

Manaja ny fomba amam-panao

Taorian’ny fotoana nampamaivay ny valanaretina COVID-19, dia marobe ny olona no nandà, tsy nety nampanao vaksiny ny zanany. Nisy aza, tanàna kely iray manontolo mihitsy no niara-tsy nanaiky ny hanaovana izany, hoy ny Dr Tsivahiny Paubert, talen'ny Fandaharan'asa mivelatra ho an'ny fanaovam-baksiny (PEV). Amin’izao fotoana izao anefa, ny mpitondra ara-drazana, ara-pivavahana, sy ireo mpitondra isan-tsokajiny dia efa saika manohana ny fanaovam-baksiny avokoa. Ireo olona vitsivitsy, tsirairay, mbola mandà izany fanaovam-baksiny izany sisa no mila rehena lahatra, hoy hatrany ny talen’ny PEV.

Tany amin’ny Faritra Androy, ohatra, dia nisy fomba fiantomorana ny mponina, niarahan’ireo mpisehatra namolavola. Izany paikady izany dia manaja kokoa ny soatoavina sy ny fomba ara-tsosialy sy ara-kolontsaina mahazatra ny mponina. Nanampy tamin’ny fandresen-dahatra azy ireo, ny amin’ireo tombony entin’ny fanaovam-baksiny eo amin’ny zaza izany.

Firotsahana an-tsehatra

Isan’ny nanampy betsaka ny sehatry ny fanaovam-baksiny ihany koa ny firotsahana an-tsehatry ny filoham-pirenena mivady, indrindra tamin’ny nanambarana ity taona 2024 ity ho taonan’ny vaksiny, araka ny fanazavana. Nanamora ny fiaraha-miasa tamin’ireo ministera isan-tsokajiny, tamin’ireo sekoly tsy miankina sy miankina amin’ny finoana ary ny sehatra tsy miankina ihany koa, ny fanambarana ny fisian’ny hetsika fanaovam-baksiny faobe tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra.
Tsiahivina fa tanjona napetrak’i Madagasikara ny hanatratra ny vaksinin’ireo zaza 12 hatramin’ny 59 volana, izay tsy mbola nahazo ny anjara vaksininy mihitsy. Ny 35%-n’ireo ankizy « daozy aotra » izany, izany hoe : ankizy 342.000 isa, ho an’ity taona 2024 ity ary ny 80%, izany hoe : 914 634 isa, hatramin’ny taona 2025.

Lire la suite

Articles Similaires