• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtefop
Image
Vaovao

Famarinana olona : Ankizy 2 tapitrisa no voakasiky ny asa manandevo eto Madagasikara

14/10/2024 19:17 © Moov.Mg

Firenena ahitana tranga maro momba ny fanondranana olona i Madagasikara, indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizy, izay lasibatry ny fanararaotana isan-karazany. Araka ny tatitra avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena dia ankizy Malagasy maro no iharan’ny fanararaotana, na eto an-toerana na any ivelany, ka maro amin’izy ireo no terena hiasa tsy an-kijanona amin’ny sehatra tsy ara-dalàna.

Vokatry ny tsy fananana

Araka ny tatitra nataon’ny Departemantan’ny Fanjakana Amerikanina momba ny famarinana olona, dia tafiditra ao anatin’ny sokajy “Tier 2 Watch List” i Madagasikara. Midika izany fa mbola misy ezaka tsy ampy amin’ny ady atao amin’ny fanondranana olona, saingy nampanantena kosa ny Fanjakana malagasy fa hisy fanatsarana izany. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, dia manodidina ny 2 tapitrisa ny ankizy voakasiky ny asa manandevo eto Madagasikara. Ny tsy fananan'ny ray amandreny, amin’ny ankapobeny, no antony mahatonga izany. Eo am-pamolavolana ny drafitra nasiônaly hiadiana amin’ny famarinana olona ireo mpisehatra rehetra mahakasika izany, drafitra izay natao hampiharina mandritra ny 10 taona. Natomboka androany 14 ôktôbra 2024, teny Anosy, ny fandrafetana ny drafi-pirenena momba ny paikady hiadiana amin'ny fampiasana ankizy. Mpisehatra isan-tsokajiny no nandray anjara tamin’izany, izay samy vonona ny hadray andraikitra amin’ny famongorana ny asa manandevo ny ankizy.

Drafitra nasiônaly

Maro ny ezaka efa vita momba ity ady amin'ny famarinana olona ity ary hotohizina izany, araka ny nambaran'ny minisitry ny Asa sy ny Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana, Razakaboana Hanitra. Isan'ny sehatr’asa voakasik'ity tranga mamohehatra ity ny fambolena, ny fiompiana, ny asa an-trano sy ny fitrandrahana elodrano, araka ny fanazavany. Manomboka ny 21 ôktôbra, dia misy ny atrikasa mandritra ny herinandro, handrafetana tanteraka ny drafitra nasiônaly hiadiana amin’ny famarinana olona 2024 # 2035, hatao any amin'ny Faritra Vakinankaratra. Ho voasolo tena ao anatin’izany atrikasa izany avokoa ny ministera voakasika, ny seha-pihariana, ny fiarahamonim-pirenena, ny solontenan’ny mpiasa sy ny solontenan’ny mpampiasa... Ho an’ny ministeran’ny Asa, ny Fampananan'Asa ary ny Asam-panjakana, dia andraikitra hohamafisina manokana ny fampitomboana ny fitsirihana ataon'ny "Inspecteurs de Travail", ho fanaraha-maso ny ankizy miasa.

Lire la suite

Articles Similaires