• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min Jus.Jpg
Image
Vaovao

Fanabeazana : Hisitraka fampianarana teny « anglisy » sy « sinoa » ireo voafonja ao Antanimora

14/10/2024 12:08 © Moov

Nitsidika ny Fonjan’Antanimora ny Tetikasa Tohanako ny faran’ny herinandro teo. Tamin’izany no nitondran’izy ireo fanampiana tamin’ny endriny isan-karazany ho an’ireo voafonja ao an-toerana. Tao anatin’izany ny teo amin’ny lafiny fanabeazana izay nanoloran’izy ireo fampianarana teny anglisy sy sinoa (mandarin) ho an’ireo voafonja ireo.

Tontolon’ny asa sy ny fifanakalozana

Misehatra manokana ho an'ireo voafonja ity Tetikasa ity. Anisan’ny tarigetran’izy ireo ny fanampiana sy famolavolana ara-tsaina, ara-tsakafo ary ihany koa eo amin’ny lafiny fanabeazana ho an’ireto voafonja. Nosafidian’izy ireo manokana araka izany ireto teny vahiny roa ireto. Hampianarina ny voafonja izy ireo noho ireo teny ireo mbola azo lazaina fa mbola malalaka eo amin'ny sehatra arak'asa. Raha ny vinan’ity Tetikasa ity rahateo dia mba hananan’ireto voafonja ireto fiainana tsaratsara kokoa rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina. Mifampitohy amin’ny asa fampianarana mamaky teny sy manoratra noentin’ity Tetikasa ity ho an’ireo voafonja ireo ihany koa ity asa hafa ity.

Ho avy mamiratra

Tafiditra ao anatin’ity ezaka natao ity ny mba hamerenana indray, ireo voafonja eny anivon'ny fiarahamonina sy mba hananan'izy ireo asa fivelomana ary mba tsy hiverenana intsony eny amin'ny fonja. Tsara mantsy ny manamarika fa matetika dia ratsy hatrany ny fahitan’ny fiaraha-monina ny olona avy nifonja. Hanarenana indrindra izany fomba fisainana izany ny anton’ny fampianarana. Indrindra, mifanindran-dalana tsara amin'ny andry voalohany, izay napetraky ny Filoham-pirenena, dia ny fanandratana ny maha-olona izany. Araka izany, tonga teny an-toerana ihany koa ny solon-tena avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny avy ao amin'ny Minisiteran'ny Mponina, izay miara-miasa akaiky amin'ny tetikasa Tohanako. Ankoatra izay, ho fampiroboroboana ity lafiny fanabeazana ity manokana dia nisy ihany koa ny fanolorana ny dabilio sy fitaovam-pianarana, izay fiaraha-miasan'ny tetikasa Tohanako sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Teo ihany koa anefa ireo fanampiana ara-tsakafo sy masomboly izay tena ilaina indrindra ho an'ny "camp penal".

Lire la suite

Articles Similaires