• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

Fiatrehana ny loza : Nifantoka tamin'ny fanabeazana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena

14/10/2024 07:56 © Moov.Mg

Marihina isaky ny 13 ôktôbra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampihenana ny loza sy ny tandindondoza. Ho antsika eto Madagasikara dia tany Ambilobe no nanatanteraha ny fankalazana ôfisialy, ny 11 sy 12 ôktôbra lasa teo.

Andraikitry ny rehetra

Manamarika ity andro iraisam-pirenena ho an’ny fampihenana ny loza sy ny tandindondoza ity i Madagasikara isan-taona, eo ambany fitarihan’ireo rafitra roa voakasik’izany mivantana, dia ny ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza (BNGRC) sy ny "Cellule de Prévention et Gestion des Urgences" (CPGU). Lohahevitra novoizina nandritra ny fankalazana, ho an’ity taona 2024 ity, ny hoe : "Ny andraikitry ny fanabeazana amin'ny fiarovana sy fanampiana ny tanora ho an'ny hoavy maharitra". Teo amin’ny tany malalaky ny Sekoly fanabeazana fototra Matiakoho Ambilobe, Faritra DIANA no nanatanterahana ny hetsika fankalazana, tamin'ny faran'ny herinandro teo, teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny mpandrindra ny rafitry ny Firenena mikambana mpisolo toerana, Yaguibou Josiane. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazan’ny praiminisitra fa miaina tanteraka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara, vokatry ny fanimbana ny tontolo iainana, na eto an-toerana na any ivelany. Noho izany dia nanentana ny tsirairay izy mba hitsangana hiaro an’i Madagasikara, amin’ireo tandindondoza. Notsindriany, tao anatin’ny lahateniny, fa manana anjara andraikitra amin’izany ny tsirairay, ka zava-dehibe ny fifanampiana sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra.

Zon'ny ankizy

Araka ny lohahevitry fankalazana, izay niompana tamin'ny fanabeazana, dia nomena tombony manokana ireo mpianatra. Nisy ny fanentanana azy ireo mba hitaky ny zony ho afaka hiaina ao anatin’ny fitonian'ny natiora, mba hamela lova tsara ho an’ny taranaka. Isan'ny nandray anjara tamin'ireo hetsika mifandraika tamin'izany ilay mpampirona (influenceuse) Lorah Gasy, sady mpiaro ny zon'ny ankizy, miara-miasa amin'ny Tahirin'ny Firenena Mikambana ho an'ny Ankizy (UNICEF). Fanentanana ireo mpianatra momba ireo fihetsika tokony atao hiatrehana ny loza sy hahafahana mampihena ny loza no notanterahina, nandritra izany. Nampandraisina anjara mivantana ihany koa ireo mpianatra, tamin’ny alalan’ny hoso-doko, tao-sary, tantara an-tsehatra, ary kilalao samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires