• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Jpeg
Image
Vaovao

Salon de l'Auto 2024 - Groupe Viseo : Notolorana fankasitrahana ireo mpiara-miasa sy mpividy

11/10/2024 17:27 © Moov

Miroborobo ny sehatry ny famarotana fiara sy ireo vokatra isan-karazany ao anatin'izany tontolo izany. Efa fanaon'ny Groupe Viseo nandritra ny roa taona izao ny fankasitrahana manokana ireo mpiara-mivarotra (revendeur) sy mpividy mahafatrapo. Tafiditra ao anatin'ny hetsika "Salon de l'auto" moa izany.

Fisaorana sy fampahazotoana

Mandray anjara amin'ny "Salon de l'Auto", eny amin'ny CCI Ivato, ny Groupe Viseo : Ocean Trade, Continental Auto, Voltmobile, Service Plus ary Izy Rent. Ao anatin'izany hetsika izany indrindra, nisy ny fankasitrahana ireo "revendeurs" sy "utilisateurs" androany 11 oktobra, teny amin'ny Galaxy Village Andraharo. Notolorana loka izy ireo, ka miisa 12 ireo mpivarotra nahalafo entana indrindra, ary 12 ihany koa ireo mpividy nahafatrapo.
Misehatra eo amin'ny fivarotana fiara sy kojakoka isan-karazany moa ny Groupe Viseo, ka azo lazaina fa tsara ny tsena amin'ireo rehetra ireo. Entana "authentique" avokoa no tolorana ny mpanjifa, ka nisy mihitsy ny fampahafantarana ny mikasika ny fanavahana ny piesy tena izy sy ireo hosoka. Tombony lehibe ho an'ireo mpanjifan'ny Viseo ny fahalalahana amin'ny fandoavana ny vidin'entana, indrindra ny fiara. Misy ny "facilité de paiement" ka na tsy manana vola feno eo no ho eo aza ny mpividy dia azony atao ny manao fifanarahana manokana. Marobe ireo tolotra mahaliana natokana ireo mpanjifa any amin'ny Salon de l'Auto, hatramin'ny 13 oktobra.

Fampiroboroboana ny "véhicules électriques"

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny diabe tamin'ny "Andro iray tsy misy fandotoana" ny alahady 6 oktobra lasa teo ny Groupe Viseo. Fiara tokana tsy mandoto ny tontolo iainana mantsy ny "véhicule électrique". Efa maromaro ireo mpampiasa azy eto Madagasikara, ary tsy mitsaha-mitombo ireo liana amin'izany fiara tsy mila solika izany, na ireo olon-tsotra na ireo orinasa. "Tsy vitan'ny tsy mandoto ny fiara elektrika fa sady ekonomika ihany koa. Ny fijokana nefa dia tsy mandany vola firy satria tsy dia misy piesy mila soloina toy ny fiara tsotra. Ny vidiny nefa dia mitovitovy amin'ny fiara mahazatra ihany", araka ny nambaran'i Moustafa Hiridjee, mpitantana ny Groupe Viseo. Azo lazaina fa afapo tanteraka reo mpampiasa hatreto.
Nandritra izay roa taona izay, manodidina ny 200 ny fiara elektrika efa mivezivezy eto Madagasikara, raha ny antontan'isa avy amin'ny Fadintseranana Malagasy. 70 isan-taona eo ho eo kosa no isan'ny fiara lafo raha ho an'ny Groupe Viseo manokana.

Lire la suite

Articles Similaires