• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Paul Bert Rossy Rahasimanana
Image
Vaovao

Kolontsaina : Hamarana ny taona 2024 amin’ny alalan’ny seho telo sosona mifanarakaraka ny tarika Rossy

11/10/2024 16:42 © Moov

Hamarana ny fampisehoana eto Madagasikara amin’ity taona ity amin’ny alalan’ny seho telo sosona ny tarika Rossy. Hotanterahina ao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina izany ny 25, 26, ary ny 27 oktobra izao. Aorian’izany dia hivoaka any ivelany izy ireo amin’ny alalan’ny « tournée » ary tsy hiverina eto Madagasikara raha tsy ny taona 2025 indray.

Hetsika ho an’ny daholo be

Ho famaranana ny taona eto Madagasikara sady fanomezana fahafaham-po ho an’ireo mpankafy ny tarika no anton’ireto hetsika hifanarakaraka ireto. Samy hahazo ny anjarany avokoa ny karazan’olona rehetra mandritra ireo telo andro. Hiavaka isan’andro mantsy ny fisehon’ny hetsika izay karakaraina. « Hatolotra ho an’ireo izay mankafy « cabaret » ny seho ho an’ny 25 oktobra. Fotoana hifanakaikezana kokoa ho an’ireo tena mankafy izany. Fampisehoana amin’ny andro alina kosa ny 26 oktobra ary hofaranana amin’ny lanonana ho an’ny fianakaviana na ho an’ny daholobe ny 27 oktobra », hoy i Rossy tamin’ny fifampiresahana tamin’ny mpanao gazety. Io fotoana io no farany ahitana ny tarika eto Madagasikara amin’ity taona ity. Hanatanteraka fitetezam-paritra any Eoropa indray ny tarika aorian’izany. Any Frantsa ihany koa no handraisan’izy ireo ny taona vaovao. Hiara-hiaina faraparany ny tampôlaka amin’ny Tarika araka izany ireo mpankafy amin’ireo andro telo ireo.

Fanapariahana ireo raki-kira

« Tsy hamelona mpanao piraty (hosoka) izahay Tarika ka nanapakevitra ny tsy hamoaka ny raki-kira intsony », hoy hatrany ity Lehiben’ny tarika ity. Ny fotoana fanatanterahana fampisehoana toy izao kosa no entin’ny tarika hanapariahana ny raki-kirany manomboka izao. Raha tamin’ity taona 2024 ity izao dia efa miisa telo ireo raki-kira navoaka. Farany teo ny mitondra ny lohateny heo « Iny Rossy ». Efa nivoaka teo aloha teo ihany koa ny « Babampa be » sy ny « Afaka Aho ». Ankoatra ny fanapariahana izany amin’ny alalan’ny fampisehoana dia eo ihany koa ny fampidirana azy ireny amin’ny « streaming » an-tambazotra toy ny fiaraha-miasany amin’ny Moozik.

Lire la suite

Articles Similaires