• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Olona 4 maty, 15 naratra mafy vokatry ny lozam-piarakodia teny Manerinerina

11/10/2024 14:41 © Moov

Nitrangana lozam-piarakodia nahatsiravina teny Manerinerina amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny omaly hariva tamin’ny 5 ora. Olona 4 no maty tamin’izany ary 15 kosa naratra mafy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hôpital Militaire (HOMI) sy eny anivon’ny Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona izy ireo amin’izao fotoana izao.

Fahavesaran’ny entana

Niainga teo amin’ny toby fiantsonana eo Andohatapenaka tamin’ny 1 ora atoandro ity fiara mpitatitra olona an’ny Koperativa Besady ity omaly. Vao niainga ity fiara ity dia efa nisy nahatsikaritra ireo tao amin’ny toby fiantsonana fa somary navesatra ny entana. Raha ny fanazavan’ireo olona niharam-boina tamin’ny alaln’ny fiankavian’izy ireo ihany koa dia io vesatry ny entana io no tena nahatonga ny loza. « Teo antampon’ny Manerinerina no somary nihevaheva ny fiara. Handeha hamerina ilay lohan’ny fiara somary nivily ilay mpamily ka nisy ballotage tampoka noho ilay entana avo loatra ka iny no nitarika ilay fiara hianjera tany anaty hantsana », hoy ny fampitan’ny fianakavian’ireo olona niharam-boina tsaboina ao amin’ny HJRA amin’izao fotoana izao. Raha ny fitantaran’ireto olona ireto hatrany dia nilatsaka tamin’ny hantsana lalina io fiara io ary tany amin’ny farany vao nivadika. Tao anatin’izany dia 3 no maty teo no ho eo raha mbola tonga tao amin’ny hopitaly tao Ankazobe kosa ny 1 ary tao izy no namoy ny ainy.

Maratra mafy

Ankoatra ireo namoy ny ainy ireo dia miisa 15 kosa no maratra mafy amin’izao fotoana izao. Tao anatin’izany ny mpamily izay tsaboina ao amin’ny HOMI raha ao amin’ny HJRA kosa ny ambiny. Nanamarika anefa ireo mpandeha fa maromaro ireo olona tafatsambikina nandritra ny filatsahan’ilay fiara saingy mafy ny faharatrana ho an’ireo mpandeha ireo. « Raha ny fahitana ny mahazo ireo olona aloha angamba hatramin’ny 80% ny faharatrana amin’ireo mpandeha. Ao ireo voa tamin’ny tanana, ny tapa-tongotra, ny fahavoazana teo amin’ny valahana sy ireo vaky loha. Misy amin’izy ireo no nandalo fandidiana mihitsy », hoy hatrany ny fanazavana. Etsy andaniny dia voalaza fa simba tanteraka ilay fiara amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires