• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fapbm
Image
Vaovao

Faritra arovana Tsimembo Manambolomaty : Tokony hahasintona mpizahatany, miaina tsindry maro

11/10/2024 14:26 © Moov.Mg

Tsimembo Manambolomaty, faritra arovana iray, tena manana ny maha-izy azy any amin’ny Distrikan’Antsalova, Faritra Melaky. Toerana kanto izy ity, tokony hahasarika mpizahatany maro, saingy miaina tsindry isan-karazany.

Karazana tsindry

Iray amin’ireo toerana nanatanterahan’ireo mpanao gazety nahazo ny vatsim-pikarohana avy tamin’ny Fondation Pour les Aires Protégées de Madagascar (FAPBM), fanadihadiana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ny tany Tsimembo Manambolomaty. Rakotobe Lydie Herilanto, mpikambana malagasy ao amin’ny REMAPSEN (Tambajotran’ireo haino aman-jery afrikanina ho an’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana), no nanao ny fanadihadiana tany an-toerana. Raha ny zava-misy hitany tany, dia maro ireo tsindry mahazo ity faritra arovana ity. Eo aloha ny fifindra-monina, kanefa ireo vahiny vao tonga dia tsy manaraka ny fomban-tany sy ny fepetra fiarovana ny toerana, ka mampananosarotra ny asan’ireo teknisianin’ny ala. Etsy an-daniny, isan’ny toerana mbola tena anjakan’ny tsy fandriampahalemana ny Faritra Melaky, ary efa nisy mihitsy ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) namoy ny ainy, vokatry ny asan-dahalo. Isan’ny tena olana, ankoatra izay, ny haratsian-dalana, nefa toerana tokony hahasarika mpizahatany, tahaka ny valan-javaboaharin’Isalo, ny faritra arovana Tsimembo Manambolomaty, hoy Rakotobe Lydie Herilanto.


Copyright Image : © REMAPSEN - Ireo mpanao gazety nahazo ny vatsim-pikarohana avy amin'ny FAPBM

Vatsim-pikarohana

Toerana mirakitra harena voajanahary marobe tokoa ny faritra arovana Tsimembo Manambolomaty. Miisa 239 karazan-javamaniry ao aminy, ahitana karazana honko miisa 7, karazan-gidro miisa 10, ary karazam-borona 115 isa. Ao aminy ihany koa no mbola ahitana ankoay maro indrindra eto Madagasikara, izay miisa18 monja anefa, izany hoe : vorona tena ahiana mafy ho lany tamingana, araka ny fitantaran-dRakotobe Lydie Herilanto.

Mpanao gazety miisa 6 moa no nahazo ny vatsim-pikarohana avy tamin’ny FAPBM, izay nampahafantarina, omaly, teny Antaninarenina ireo vokatry ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Niompana indrindra tamin’ny fanasongadinana ny asa ataon’ireo tanora mahery fo mpiaro ny tontolo iainana izany fanadihadiana izany, izay notontosaina tany amin’ireo valan-javaboahary arovana eto Madagasikara. Mpikambana ao anatin’ny REMAPSEN Madagasikara ny telo tamin’ireo mpanao gazety nisitraka ny vatsim-pikarohana, dia i Andriamanarivo Fah, Andriatsitonta Lynda ary Rakotobe Lydie Herilanto.



Lire la suite

Articles Similaires