• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Andro iraisampirenena ho an'ny zatovovavy : Fotoana hiresahan’ny tanora ny fandraisany anjara amin’ny ho avy

10/10/2024 14:31 © Moov

« Zatovovavy miatrika ny ho avy », izany no lohahevitry ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny zatovovavy amin’ity taona 2024 ity. Hankalazaina isaky ny 11 oktobra izany ary anisan’ny handray anjara amin’izany ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Natokan’ity Ministera ity ho fotoana hahafahan’ny tanora maneho ny heviny momba ny fanomanana ny ho avy tsara kokoa ny fankalazana amin’ity taona ity.

Sehatra hifanakalozana

Fotoana lehibe ary indrindra fanararaotra ho an’ny tanora te haneho ny heviny sy hitondra hevitra vaovao ho an’ny Madagasikara ity fankalazana ity. Araka izany, hikarakara sehatra hifanakalozana ho an’ny tanora ny Ministera. Ho tanterahina ny 12 oktobra izao izany ao amin’ny QG Tanora Ankorondrano. Afaka mandray anjara amin’ny adihevitra ny tanora vehivavy rehetra 14 hatramin’ny 30 taona. Natao indrindra mantsy io fotoana io hitondran’ireo tanora ireo ny anjara birikiny amin’ny ho avin’ny firenena. Afaka entina mandritra io fotoana io avokoa ny hevitra rehetra izay hitondra ho amin’ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ny sehatry ny fahasalamana, ny zon’olombelona, ny fandraisan anjaran’ny vehivavy amin’ny sehatra isan-karazany sy ny maro hafa.

Vehivavy mahavita

Miisa hatramin’ny 600 tapitrisa ny zatovovavy maneran-tany. Ny fahafahan’ireo olona ireo sy ny fahaizany dia mety tsy hanam-petra ho an'ny mponina manerana izao tontolo izao, hoy ny UNFPA. Izany indrindra ihany koa no anisan’ny nandraisana io lohahevitra io hahafahan’ireo zatovovavy ireo miady ho an’ny ho aviny sy ny ho avin’ny olona rehetra. Mbola maro anefa ireo sakana tsy hahafahan’izy ireo mihetsika. Ao anatin’izany ny fanavakavahana sy ireo fampiasam-bola manodidina ny ankizy vavy. Eo ihany koa ny herisetra sy ny fanitsakitsahana ny zony. Ao anatin’izany dia mbola lehibe ny dingana tokony hatao na dia fantatra aza fa mahavita zavatra ny vehivavy.

Lire la suite

Articles Similaires