• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gendarmerie Sud-Est
Image
Vaovao

Tsy fandriam-pahalemana : Maty voatifitra i Rakoko, dahalo nokarohina nandritra ny 3 taona tao Farafangana

10/10/2024 14:28 © Moov

Nampihorohoro ny mponina ambanivohitr’i Farafangana i Rakoko. Efa telo taona izay no nikarohana azy, nanomboka tamin’ny 2022 ary izao izy maty voatifitra izao. Efa namono olona miisa hatramin’ny 40 izy tao anatin’izay telo taona nikarohana azy izay. Ny kaominina Iabohazo no tena nanamparany ny heriny tao anatin’izay fotoana izay raha ny tatitra avy amin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandary ao Atsimo Atsinanana.

Hazalambo

Nanaovana haza lambo hatrany ity jiolahy rain-dahiny ity nandritra ny fotoana naharitra. Ny 01 oktobra 2024 no natao hazalambo tao Fenoarivo Mahazaza izy 04 nampihorohoro an'Iabohazo saigy tsy tratra. Tafatsoaka tao Marovandrika ka alina vao miakatra an-tanàna. Narahina hatrany anefa izy ireo saingy ka ny 06 oktobra 2024 indray no fantatra fa miafina ao Ambatominty Beriketa kaominina Ankarana. Nalefa tany ny zandary sy jama hisambotra azy ny 07 oktobra 2024 t@ 04 ora maraina, tifitra no nitsena an'ireo zandary sy jama hisambotra azy ireo. Lavo ny dahalo iray, izay voamarina fa Rakoko na dia nitsoaka aza fa ny namany kosa tafaporitsaka. Tratra teny aminy ny basy iray sy bala 04 ka ny 01 efa nipoaka. Nosavaina ny manodidina sy ny trano ka nahitana basy roa hafa sy vehivavy telo izay niray tsikombakomba tao anatin’izany asa ratsiny izany.

Vono olona sy doro trano

Nampihorin-koditra ireo tanàna izay handalovany hatrany ity dahalo ity nandritra ireo fotoana nanaovany ny asa ratsiny. Ankoatra ny halatra omby dia ny vono olona sy ny doro trano ihany koa no nahafantaran’ireo mponina azy isaky ny manafika. Raha ny tatitra avy amin’ny Zandary hatrany dia olona miisa hatramin’ny 40 no efa maty tao anatin’izay telo taona izay. Raha ny sombin’ireo asa ratsy vitany dia ny febroary 2022 no nahafantarana azy voalohany.
Indroa nanafika tao Anezadava Iabohazo izy ary olona 03 no maty, trano 08 no may voalohany. Tamin’ny faharoa kosa dia omby 12 no lasany sy trano 06 indray no may.
20 Martsa 2022 : Nanafika tao Mahatenika Iabohazo, omby 36 no very ary trano 34 no may, vola mitentina 50 000 000 ar kosa no very ary olona 08 no maty.
12 Oktobra 2022 : Nanafika tao Tsapoka Tsanofoha Iabohazo ka nahafaty olona 12 sy nandoro trano 06.
11 Febroary 2024 : Nanafika tao Vohidroa Marovandrika Iabohazo ka omby 06 very, trano 07 no may.
Ny 22 Jolay 2024 no fantatra farany tao Ambalafatsena Tsanofoa Iabohazo, omby 13 indray no very, olona 02 kosa no maty.
Azo lazaina ho nandravarava mihitsy ity jiolhy ity tao amin’io faritra io. Voasambotra izy ary amin’izao fotoana izao kosa dia mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hafa.

Lire la suite

Articles Similaires