• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Banky Iraisam-pirenena – BNGRC : Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza

19/08/2024 14:21 © Moov

Mitombo hatrany amin’izao fotoana izao ny fanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny BNGRC mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ny manampahaizana manokana momba ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe vaovao ao amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Maro ny fifampiresahana vita tamin’izany ary nanamafy ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.

Fitohizan’ny fiaraha-miasa

Fihaonana nitsidihan’ity tompon’andraikitra vaovao ity ny Biraon’ny BNGRC izany natao izany ary indrindra nahafahana nanamafy fa hitohy ny fiaraha-miasa. Tanjona iombonana amin’izany ny hampihena araka izay tratra ny mety ho takaitran’ireo loza sy tandindon-doza. Marihina moa fa ny Banky Iraisam-pirenena dia manohana akaiky hatrany ny asa tanterahin’ny BNGRC mba hiarovana ny Malagasy tsy vaky volo rehetra. Asa lehibe izay ilaina fanohanana hatrany. « Mahatsapa manana andry mafonja sy mpiara-miombon’antoka matanjaka afaka iankinana ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra eo anivon’ny fitantanana ny loza sy ny tandindodoza manana ny Banky iraisam-pirenena eo akaikiny manohana azy ireo hatrany. Mahatoky fa hitohy sy hiroborobo ny fandraisana andraikitry ny isan’ambaratongany mba ho fahatratrarana ireo tanjona rehetra napetraka ” hoy Andriamatoa Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Ao anatin’izany ny asa voafaritra ao anatin’ilay fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fampihenana ny tandidondoza nosoniavina tany Sendaï (Cadre de Sendaï 2015-2030). Eo ihany koa ny firosoana makany amin’ny tanjon'ny fandrosoana lovainjafy miisa 17 sy ireo zavakendrena 169.

Maro ny asa vita

Isany tena nahafahana niroso haingana tamin’ny fahalalàna misimisy kokoa ny voina mety hitranga sy ireo tandidondoza manambana ny fanampian’ny Banky Iraisam-pirenena nandritra izay dimy taona izay. Voaray ao anatin’izany ireo lokan'ady ara-pihariana, ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-tontolo iainana, ara# pivoaran'ny mponina. Efa fantapantatra araka izany ny tandindondoza rehetra izay voafaritra fa “manalokaloka” sy mety hiantraika amin’ireo Faritra 18 voasokajy ho tena marefo eto Madagasikara manoloana ny fiovan’ny toetr’andro noho ireo fikarohana samihafa. Nivoaka tamin’izany ny vokatra miendrika antontan-kevitra sy bokin-tsaritany fanehoana an’izany rehetra izany (Atlas des risques). Teo ihany koa ny fanamafisana ny rafim-panairana mialoha (système d’alerte précoce – SAP) izay misy eto madagasikara. Mbola asa efa mananontanona ihany koa amin’izao ny fametrahana birao ary koa ivotoeram-pandrindranan’asa vonjy maromaro eny anivon’ny lafi-tany sasatsasany eto Madagasikara (bureaux territoriaux du BNGRC et des centres opérationnels au niveau régional). Tokana ihany ny tanjona, dia ny hampiakatra ny tahan’ny olona mety ho voavonjy raha sendra loza. Vonona hatrany Banky Irsaiam-pirenena amin’izany fanohanana izany.

Lire la suite

Articles Similaires