• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Idkids
Image
Sexualité & Mariage

Ireo fambara ahafantarana fa mitoe-jaza ny vehivavy

03/07/2023 13:49 © Moov.Mg

Tara andro vitsivitsy ve ny fadim-bolana ? Mahatsiaro fiovana tsy mahazatra amin’ny toe-batana ? Ary sao ianao bevohoka ? Ndeha ho fantarina ireo fambara ahalalana fa mitoe-jaza ny vehivavy.

Tsy fahatongavan’ny fadimbolana : fambara iray ahafantarana fa mitoe-jaza ny vehivavy

Anisan’ireo fambara voalohany ahalalana fa mitoe-jaza ny vehivavy ny tsy fahatongavan’ny fadimbolana. Rehefa mitondra vohoka tokoa mantsy ny olona iray dia tsy miverina intsony ny fadimbolany raha tsy fotoana maharitra aorian’ny fiterahana. Raha sendra misy fahatarana izany ny fadimbolana dia efa afaka manao « test de grosesse » hanamarina fa bevohoka tokoa. Marihina fa misy ihany nefa ireo vehivavy izay mandeha hatrany ny fadimbolana mandritra ny fitondrana vohoka. Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy voatery ho vohoka foana ny fahataran’ny fadimbolana. Mety nohon’ny fikorontan’ny hormones no mahatonga ilay fahatarana.

Mitombo ary somary manaintaina ny nono

Mitondra fiovana eo amin’ny toe-batan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Anisan’izany ny fiakaran’ny tahan’ny hormones ka mahatonga ny nono somary mitombo ary koa manaintaina, indrindra rehefa voadona kely. Marihina fa izany fiakaran’ny hormones izany ihany koa moa no mahatonga fanaintainan’ny nono alohan’ny fahatongavan’ny fadimbolana eo amin’ny vehivavy sasany. Mety mitarika fifangaroana izany indraindray ka tsy ampy raha ity fambara iray ity ihany no entina hamantarana vehivavy mitoe-jaza.

Mafana hoditra nefa tsy marary

Fambara iray mora ahafantarana fa mitoe-jaza ihany koa ny vehivavy rehefa lasa mafana hoditra nefa tsy marary. Marihina fa rehefa lonaka ny vehivavy dia miakatra ny tahan’ny hormone antsoina hoe « progestérone » ao aminy. Izany dia mitarika fiakaran’ny hafanan’ny vatany ary tsy midina mihintsy izany mandrapatongan’ny fadimbolana. Tsy midiny intsony noho izany ny hafanan’ny vatana raha mitondra vohoka ilay vehivavy. Mazava ho azy fa tsy mitombona ity fambara iray ity raha toa ka marary sy manavy ilay olona.

Maloiloy sy te handoa

Matetika rehefa mitoe-jaza ny vehivavy dia manjary lasa maloiloy sy te handoa, indrindra rehefa vao maraina mifoha iny na rehefa misakafo. Miankina amin’ny toe-batan’ny tsirairay ny fisehon’izany. Misy vao tara ny fadimbolana dia mipoitra io fambara io ary maharitra andro vitsivitsy dia tapitra. Misy kosa maharitra hatramin’ny fahatelo volan’ny kibo. Afaka manantona mpitsabo hanamaivana izany raha toa ka mbola mitohy mihoatra ny telo volana.
Tsara ny mampatsiahy fa samy manana ny toe-batany ny olona tsirairay ary tsy voatery hisy ireo fambara ireo avokoa ny vehivavy rehefa mitoe-jaza. Fambara vitsivitsy afaka mandrisika ny vehivavy hanao « test de grossesse » na hanantona mpitsabo ihany ireo fambara ireo mba hanamariana raha tena bevohoka tokoa na tsia.

Lire la suite

Articles Similaires