• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpedia
Image
Reny&Zaza

Andro mafana : Torohevitra hampitoniana ny zaza misy voapana

03/10/2024 14:03 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mampijaly ny zaza rehefa andro mafana toy izao ny voapana na ny laipano. Manomboka vao feno 3 andro eo ny zaza no mety hisehoan’izy ireny ary dia mety manelingelina na mampijaly azy tokoa izany. Fa inona tokoa moa ny voapana ? Ahoana ny ahafantarana azy ireny ? Inona no atao hampitoniana sy hanesorana izany ?

Inona no atao hoe voapana ?

Ny voapana dia bontsibontsina kely maro miseho eo amin’ny hoditry ny zaza vokatry ny fahatsentsenan’ny lavaka fivoahan’ny hatsembohana eo amin’ny mason-koditra. Rehefa mafana ny andro no miseho ny voapana satria amin’io ny zaza no tena tsemboka, indrindra raha atao mafana loatra ny akanjony na ny efitra misy azy. Rehefa tsemboka loatra ny zaza ka tsentsina ireo fivoahan’ny hatsembohana ireo dia lasa mivoaka bontsibontsina eo amin’ny hoditra.

Ahoana ny fisehon’ny voapana ?

Maro tokoa ireo karazan-javatra mpiseho eo amin’ny hoditry ny zaza ka indraindray tsy hay intsony ny manavaka ny voapana, ny eczéma, ny nendram-boalavo… Amin’ny ankapobeny dia rehefa mafana ny andro no miseho ny voapana ary matetika eo amin’ny andrina, ny hodi-doha, ny tratra, ny helika, ny tenda ary ny lamosina no misy azy. Misy karazany telo ny fisehon’ny voapano eo amin’ny zazakely :
-Bontsibontsina kely toy ny mony miloko mavokely na misy tsiranoka tsy miloko ao anatiny. Matetika dia afaka ho azy izy ireo anatin’ny 1 na 2 andro.
-Bontsibontsina kely mivaramena sady mangidihidy ;
-Bontsibontsina kely mivaramena miaraka amin’ny ratra ary mety misy nana. Raha io no mitranga dia mila manantona mpitsabo.

Ny fomba atao hampitoniana sy hanesorana ny voapana

Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy atahorana loatra ny voapana eo amin’ny zaza ary afaka ho azy izy ireny anatin’ny andro vitsy. Tsy misy fitsaboana manokana atao amin’izy ireny nefa kosa misy ireo torohevitra manampy hampitoniana ny hidihidy sy ny fanelingelenana aterak’izany :
-Petapetahana compresse nomandoana tamin’ny rano mangatsiaka eo amin’ny faritra misy voapana ;
-Ampandroana na sasana amin’ny rano matimaty ny zaza rehefa mafana ny andro ;
-Petapetahana moramora amin’ny serveta malefaka ny hoditry ny zaza rehefa manamaina izany, tsy azo fafana fa mety manaitaina azy ;
-Atao maivamaivana ny akanjo ampanaovana azy ;
-Ao amin’ny efitra na toerana mangatsitsiaka no ametrahana ny zaza.
Satria moa ny voapano dia vokatry ny fahatsentsenan’ireo mason-koditra mamoaka ny hatsembohana dia tsy tokony osorana crème na pommade ny faritra misy izany mandritra ny andro vitsy. Mety vao maika hanentsina azy izany.

Lire la suite

Articles Similaires