• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magic Maman
Image
Reny&Zaza

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny bevohoka tsy mahita tory firy amin’ny alina

02/10/2024 13:15 © Moov.Mg

Maro ireo toe-javatra manelingelina atrehan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka ka anisan’izany ny tsy fahitana tory amin’ny alina. Mety hahavizaka be ny bevohoka izany ka mahatonga azy ho afa-jaza raha toa ka maharitra loatra. Fa inona no antony mahatonga ny bevohoka tsy mahita tory firy amin’ny alina ? Inona ny vahaolana manoloana izany ?

Ireo antony mahatonga ny bevohoka tsy dia mahita tory amin’ny alina

Maro ireo antony mety mahatonga ny bevohoka tsy mahita tory firy na ratsy torimaso amin’ny alina. Anisan’izany ny :
-Fiovan’ny hormonina izay manakorontana ny torimaso ;
-Ny aretim-bavony, ny rivotra sy ny « reflux » tsy mampahazo aina ;
-Ny orona tsentsina ;
-Ny rarin-tsaina sy ny tebiteby mikasika ny fitondrana vohoka sy ny fahasalaman’ny zaza ao an-kibo ;
-Ny crampes, ny fahaporetana matetika amin’ny alina, ny tsy fahazoana aina amin’ny fomba fatoriana noho ny haben’ny kibo.

Ireo vahaolana manampy manoloana izany

Mba hisorohana ny tsy fahitan-tory amin’ny alina mandritra ny fitondrana vohoka dia ireto manaraka ireto ireo torohevitra manampy tsara ampiharina :
-Ahena ny rano sotroina amin’ny alina mba tsy ho poritra matetika loatra ;
-Tsy mihinana sakafo mavesatra na matavy loatra rehefa hariva ;
-Ezahana toniana sy alamina ny saina, indrindra rehefa hatory amin’ny alina ;
-Tsy atao ela loatra rehefa matory atoandro manjary tsy mahita tory amin’ny alina ;
-Atao izay mampahazo aina rehefa hatory ;
-Tsy mijery écran ela loatra alohan’ny hatory ;
-Atao somary avo ny ondana hampitony ny orona tsentsina amin’ny alina ;
-Manatona mpitsabo raha mahatsapa tsy mahita tory mandritra ny andro maro ka lasa reraka.

Lire la suite

Articles Similaires