• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Révolution Textile
Image
Reny&Zaza

Reny mampinono miongo-bolo : ireo tsara fantatra mikasika izany

30/09/2024 13:48 © Moov.Mg

Maro tokoa ny reny mampinono no mitaraina fa miongotra be ny volony. Mety mampiasa saina sy mampitebiteby tokoa izany tranga izany, indrindra raha tsy fantatra ny anton’izany fihintsanan’ny volo izany sy ny fomba atao hampitsarahana azy. Ho resahana eto ary ireo rehetra tsara fantatra mikasika ny reny mampinono lasa miongo-bolo be.

Ireo antony mety mampiongotra ny volon’ny reny mampinono

Eto am-panomboana dia tsara ny manamarika fa tsy ny fampinonoana ny zaza no antony voalohany mahatonga ny fihongotan’ny volo eo amin’ny reny mampinono. Marihana fa mandritra ny fitondrana vohoka dia mamokatra hormonina mampatevina sy manatsara volo betsaka kokoa ny vatan’ny bevohoka. Aorian’ny fiterahana nefa dia mihena tampoka ny tahan’io hormonina io ka izay no antony mahatonga ny volo hiongotra be kokoa.
Ho an’ny reny mampinono dia mety maharitra kokoa io fihintsanan’ny volo io satria ny famokaran’ny vatana ny rononon-dreny dia mampitombo ny filàna hery sy sakafo ao aminy. Raha tsy ampy ireo roa ireo dia mety misy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny volo. Ny tsy fahampiana otrikaina toy ny fer, vitamina sy proteina ohatra dia mety mampiongotra ny volo. Etsy andaniny misy ny tsy fahampian-torimaso sy ny havizanana vokatry ny fampinonoana izay mitroka ny tahirin’ny otrikaina ao amin’ny vatana ihany koa dia mety mahatonga fihintsanan’ny volon’ny mpampinono. .

Maharitra afiriana io fihintsanan’ny volo eo amin’ny mpampinono io ?

Amin’ny ankapobeny dia manomboka eo amin’ny 2 na 3 volana aorian’ny niterahana no miseho io fihintsanan’ny volo eo amin’ny reny mitaiza kely io. Ny reny mampinono moa matetika no tena isehoan’izany fa mety mahavoa ny reny tsy mampinono ihany koa nefa izany. Marihana fa mandalo ihany io fiongotan’ny volo aorian’ny fiterahana io.
Matetika dia miverina mahazo ny hateviny teo aloha ny volo eo amin’ny 6 hatramin’ny 12 volana aorian’ny niterahana. Samy manana ny toe-batany moa ny vehivavy tsirairay ka misy ireo zara raha mihintsana ny volo ary eo ireo tena miongotra be ny volo ka lasa mihamanify mihintsy izany.

Ahoana ny tokony atao manoloana io fihitsanan’ny volo io ?

Araka ny voalaza teo ambony dia toe-javatra ara-boajanahary ny fihintsanan’ny volo aorian’ny fiterahana sy eo amin’ny reny mampinono ka tsy misy fomba atao hisorohana izany. Misy kosa nefa ireo torohevitra azo ampiharina ahafahana mametra io fiongotan’ny volo io, indrindra eo amin’ny reny mampinono, anisan’izany ny :
-Fihianana sakafo ara-pahasalamana sy mitahiry ireo otrikaina ilain’ny volo, toy ny voankazo, legioma, hena, trondro… ;
-Fampiasana « produits » fikolokoloana ny volo mifanaraka amin’ny toetry ny volo ;
-Fanorana ny hodi-doha mba hampikoriana tsara ny rà sy mandrisika ny volo ho mora maniry ;
-Faharetana satria araka ny voalaza teo ambony dia mandalo ihany io fiongotan’ny volo io. Mila maharitra am-pitoniana satria ny rarin-tsaina ihany koa dia mety mandrisika ny volo hihintsana.

Oviana no tokony manantona mpitsabo ?

Mila manantona mpitsabo ny reny mampinono na tera-bao miongo-bolo raha toa ka :
-Maharitra mihoatra ny 6 volana taorian’ny niterahana io fihintsanan’ny volo io ;
-Raha misy fambara hafa miseho miaraka amin’izany, toy ny hoe mangidihidy, mivaramena na manaitaina ny hodi-doha na amin’ny faritra hafa amin’ny vatana ;
-Raha miongotra be loatra ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires