• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clinical Lab Products
Image
Reny&Zaza

Ahitra miraikitra eo am-piterahana, ‘ndeha ho resahana !

27/09/2024 14:36 © Moov.Mg

Tranga mety miseho mandritra ny fiterahana ny hoe miraikitra ny ahitra ka izay no atao hoe « placenta accreta ». Fahasarotana mety mitranga eo amin’ny fitondrana vohoka izy io ka matetika dia atao « césarienne » ny bevohoka amohana ny zaza ao an-kibo. Fa inona tokoa moa no atao hoe « placenta accreta » ? Inona no mety mahatonga azy ? Inona no mety ho fiantraikany ?

Inona no atao hoe « placenta accreta » na hoe miraikitra ahitra ?

Ny tranon-jaza dia voarafitra sosona 3 karazany. Ny sosona farany sisiny indrindra, atao hoe « endomètre », no ipetahan’ny ahitra. Arak’izany dia mora miendaka ny ahitra eo am-piterahana. Raha toa kosa ka mipetaka lalina be ka miraikitra anatin’ilay sosona ao afovoan’ny tranon-jaza ny ahitra na koa hoe lasa tafavoaka ny tranon-jaza ka miraikitra amin’ny taova hafa ivelan’izany dia izay no atao hoe « placenta accreta ». Raha izany no mitranga dia tsy mivoaka ho azy ny ahitra eo am-piterahana.

Inona no mety mahatonga ny ahitra miraikitra ?

Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ireo antony mety mahatonga ny ahitra miraikitra na ny « placenta accreta ». Misy kosa nefa ireo karazan’olona ahiana hanao azy io, toy ny vehivavy :
-Nitoe-jaza imbetsaka, mihoatra ny 6, na dia tsy nateraka daholo aza ;
-Efa natao « césarienne » na hoe niteraka nididy ;
-Efa nandalo fandidiana tranon-jaza toy ny « fibrome »… ;
-Efa nanala zaza, indrindra raha natao « curetage » ;
-Efa bebe taona (mihoatra ny 35 taona).

Inona no mety ho fiantraikan’ny « placenta accreta » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia fahasarotana mitranga eo amin’ny fitondrana vohoka ny « placenta accreta ». Noho izany dia mety miteraka « complications graves » izy io mandritra ny fiterahana, toy ny :
-Fandehanan-drà be loatra na « hémorragie » aorian’ny fiterahana. Mety mahafaty ny reny moa izany raha tsy voajanona ;
-Fahaverezan-drà be ilàna fampidirana rà eo amin’ny reny ;
-Fandidiana maika hampijanonana ny fandehanan-drà be loatra ;
-Fanesorana ny tranon-jaza.
Marihana fa tsy misy fambara ety ivelany ahafantarana fa manao « placenta accreta » ny bevohoka. Ny fanaovana « échographie » ihany no ahitana izany. Ilaina arak’izany ny misafo ara-dalàna sy manao « échographie » intelo fara fahakeliny mandritra ny fitondrana vohoka mba ahitana mialoha io fahasarotana io sy ahafahan’ny mpitsabo manomana sy manatanteraka ny fandraisan-tanana sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires