• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pampers
Image
Reny&Zaza

Fantaro ny momba ny fanaintainan’ny nono rehefa manala nono ny zaza

25/09/2024 13:51 © Moov.Mg

Rehefa manala nono zaza ny reny dia mety mahatsapa fanaintainana eo amin’ny nono. Misy fotoana ary mety hivonto mihintsy ny nono. Fa inona tokoa no mahatonga ny nono hanaintaina rehefa manala nono ny zaza ? Ahoana ny fomba atao hampitoniana izany ?

Ny antony mampanaintaina ny nono rehefa manala nono ny zaza

Rehefa ahena ny hatetiky ny fampinonoana ny zaza dia tsy mbola tonga dia mihena manarak’izany ny fatran’ny ronono vokarin’ny vatan’ny reny. Mila andro vitsivitsy vao mihena tsikelikely izany. Raha mbola mamokatra ronono betsaka ny nonon-dreny nefa tsy mampinono firy dia mety miteraka hafanana, fivontosana na vongan-javatra anatin’ny nono satria tratry ny atao hoe « engorgement ». Ity farany dia fahatsentsenan’ireo fantsina mitondra ny rononon-dreny. Izany no mahatonga ny nono marary sy mamatovato rehefa manala nono ny zaza mandritra ny andro maromaro aorian’ny nanombohana izany.

Ireo fomba atao hampihenana ny fanaintainan’ny nono

Zavatra voajanahary ny fanaitainan’ny nonon-dreny rehefa manala nono ny zaza. Tsy voatery handalo izany avokoa ny mpampinono rehetra ary misy ireo fomba azo atao hisorohana na hampitoniana izany, toy ny hoe :

Halana nono tsikelikely ny zaza

Tsy tsara ajanona tampoka be ny fampinonoana ny zazakely satria isan’ireo antony mamparary ny nonon-dreny izany. Ny fampinonoana matetika sy isan’andro ny zaza dia mandrisika ny famokarana ny rononon-dreny. Raha esorina nono tampoka ny zaza dia mbola mamokatra rononon-dreny foana ny vatana nefa tsy hoanin’ny zaza ka izay no mety manentsina ny fantsona mitondra izany. Mba hisorohana izany dia halana nono tsikelikely ny zaza amin’ny alalan’ny fampihenana ny fotoana hampinonoana azy. Izany hoe amin’ny voalohany atao intelo isan’andro raha in-enina taloha, avy atao indroa, atao indray mandeha, atao isaky ny 3 andro…

Avoaka ny rononon-dreny

Fomba iray manampy hisorohana ny fahatsentsenan’ny fantsona mitondra ny rononon-dreny ka mankarary ny nono ny famoahana ny rononon-dreny. Izany hoe, rehefa tapa-kevitra ny hanala nono ny zaza dia tsara raha avoaka trohana amin’ny tire-lait na potserina amin’ny rantsan-tanana ny rononon-dreny hivoaka rehefa amin’ny fotoana tsy hampinonoana ny zaza. Mampihena be ny fanaintainan’ny nono izany. Tsy azo atao matetika loatra kosa nefa satria mety vao maika hampitombo ny famokarana rononon-dreny indray. Azo atao ihany koa ny manotra mora ny nono marary mba hampitony izany.

Petahana zavatra mangatsitsiaka eo amin’ny nono

Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny fivontosanan’ny nono rehefa manala nono ny zaza ny fametrahana zavatra mangatsiaka eo amin’ny vata-nono. Maro ny fomba afaka anaovana izany toy ny fampiasana lamba nomandoana tamin’ny rano mangatsiaka be nofihazina ary io no apetraka eo ambonin’ny vata-nono. Averina hatrany mandrapihenan’ny fanaintainana.

Manantona mpitsabo

Raha toa ka efa natao avokoa ireo torohevitra ireo nefa mbola tsy mety misinda ny fanaintainan’ny nono rehefa manala nono ny zaza dia tsara ny manantona mpitsabo. Mety tena marary tsy zaka tokoa mantsy io fanaintainana io ka ny mpitsabo no manome fanafody mampitony izany. Tsy tsara ny manao dokotera tena rehefa mampinono satria misy ireo karazana fanafody tsy mety amin’ny mpampinono.

Lire la suite

Articles Similaires