• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mum-To-Be-Party
Image
Reny&Zaza

Torohevitra fampianarana ny zaza hadio na hiala « couche »

19/09/2024 09:43 © Moov.Mg

Dingana iray lehibe eo amin’ny fanabeazana ny zaza ny fampianarana azy hadio na hiala « couche ». Maro ireo ray aman-dreny sahirana amin’izany satria misy ireo zaza sarotra ampianarina madio. Ireto ary misy torohevitra manampy hanesorana « couche » ny zaza.

Fantarina ny fotoana maha vonona hiala « couche » ny zaza

Tsy voafaritra mazava ny fotoana hampianarana ny zaza hadio na hiala « couche ». Samihafa tokoa mantsy ny zaza tsirairay ary samy manana ny fivoarany izy ireny. Amin’ny ankapobeny dia efa vonona hiala « couche » ny zaza eo anelanelan’ny 18 volona sy 3 taona. Ireto manaraka ireto ary ireo fambara ahafantarana fa vonona hianatra hadio ny zaza :
-Manomboka liana amin’ny pot izy ;
-Mahavita tsy mando ny « couche » manditra ny ora maro ;
-Mampahafantatra izy rehefa maloto ny « couche » anaovany ;
-Efa mahay manaraka torolalana tsotra izy.

Ahoana ny fomba atao hampianarana azy hadio ?

Mba hampianarana ny zaza hadio dia toy izao ny fomba atao :
-Zarina tsikelikely amin’ny pot izy. Izany hoe atao mipetraka eo matetika miaraka amin’ny akanjony, tsy terena ;
-Mametraka fahazarana amin’ny fampiasana ny pot. Ohatra isaky ny avy misakafo, isaky ny alohan’ny hatory… Izany hoe amporisihana izy hipipy na hikakà amin’ireo fotoana ireo nefa kosa tsy azo terena ;
-Deraina hatrany izy isaky ny nahavita nipipy na nikakà tamin’ny pot ;
-Mila faharetana. Mety tsy tonga dia afaka « couche » na hadio vetivety ny zaza. Misy fotoana izy mety hipipy na hikakà kilaoty ihany na efa nampiasa pot aza. Tsy bedesina izy fa amporisihana hatrany hampiasa pot ;
-Atao mandray anjara amin’ny fianarana madio izy. Afaka asaina misafidy ny kilaoty ampanaovana azy ho solon’ny « couche ». Rehefa mahavita tsy mandoto izany atin’akanjo izany izy anatin’ny tontolo andro dia ho faly sy hanana faharisihana hanohy izany.

Ireo zavatra tsy azo atao

Mba hahamora sy hampizotra tsara ny fampianarana ny zaza hadio na hiala « couche » dia misy ireo fahadisoana tsara tandremana sy fadiana, toy ny :
-Fampitahana ny zanaka amin’ny zaza hafa. Araka ny voalaza teo ambony dia samy manana ny fivoarany ny zaza tsirairay ka misy ireo mety mahay madio aloha ary misy ireo mety taratara. Arak’izany dia tsy azo terena hanaraka izany ny zanaka ;
-Fampianarana ny zaza hadio mandritra ny fotoana mampisy rarin-tsaina na mandritra ny fiovana be eo amin’ny tontolony. Anisan’izany fotoana izany ohatra ny fahateran’ny zandriny, ny fifindrana trano… Mety vao maika sahirana izy handray ny fampianara atao aminy mandritra izany fotoana izany.

Lire la suite

Articles Similaires