• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Daylily Paris
Image
Reny&Zaza

Zaza tsy mahatanty hilaozana : fantaro ny mikasika ny « peur de l’abandon »

12/09/2024 15:19 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga eo amin’ny zaza ny « peur de l’abandon » na hoe matahotra na tsy mahatanty hilaozana. Vao tsy hitany ny reniny dia mitomany izy. Mety mampanao azy izany ihany koa ny rainy na ny mpitaiza azy. Fa inona ny mahatonga ny zaza matahotra ilaozana ? Ahoana ny fanehoany izany ? Inona no atao hanampiana azy hiatrika izany ?

Inona no atao hoe « peur de l’abandon » eo amin’ny zaza ?

Araka ny voalaza teo ambony dia ny fahatahoran’ny zaza ny hilaozana no atao hoe « peur de l’abandon ». Eo amin’ny manodidina ny 8 volana eo ny zaza no mahatsapa fa olona manokana izy ary olona hafa mihintsy ny reniny, ny rainy na ny mpitaiza azy. Ny olona tena mikarakara azy matetika moa mahazana no hiantefan’izany tahotra ny fandaozana izany.
Mahatsiaro tena ho voaaro sy tony izy rehefa eo anilany eo foana io olona io. Raha sendra tsy hitany, na vetivety fotsiny aza, dia mitaintaina izy ka izay ilay atao hoe « peur de l’abandon ». Tsy tokony misy atahorana ny fandalovan’ny zaza amin’io dingana io satria tafiditra anatin’ny fivoarany izany.

Ahoana ny fisehon’ny « peur de l’abandon » eo amin’ny zaza ?

Maro ny fomba anehoan’ny zaza ny « peur de l’abandon », ka anisan’izany ny :
Fitomaniana. Io no fanehoana mora fantatra sy matetika mitranga indrindra. Vao manalavitra kely azy ny reniny na ny mpitaiza mahazatra azy dia mitomany be izy. Mitomany ihany koa izy raha avela amin’ny olona hafa.
Mipelipelika sy tsy mety mipetraka. Fomba iray hafa hanehoan’ny zaza izany tahotry ny ilaozana izany ihany koa ny fipelipelehana na hoe tsy mety mpitreka. Mety hikikiaka izy na koa sintominy ny volony hanehoany ny tahotra.

Ahoana ny fomba atao hanampiana ny zaza hiatrika izany ?

Mba hanampiana ny zanakao hitony sy hiatrika izany tahotry ny ilaozana izany dia mila :
-Omena toky izy. Resahana am-pitiavana sy moramora izy, fihinina ary hazavaina aminy hatrany hoe hiverina foana ianao ;
-Mametraka fahazarana. Alohan’ny handehanana, ohatra rehefa handeha hiasa, dia fihinina tsara izy, orohana ary lazaina azy hoe raovina ianao no miverina ;
-Omena zavatra mampionona azy. Afaka omena « doudou » na « tétine » izy mba ahatsiaro tena « en sécurité » mandritra ny fotoana tsy maha eo anao ;
-Ilaozana tsikelikely izy. Amin’ny voalohany dia ilaozana vetivety izy, ohatra hoe miala amin’ny efitrano misy azy, avy eo ampitomboana tsikelikely ny fotoana tsy ahitany anao.
-Zarina hifanerasera amin’ny olona hafa izy. Amporisihana izy hifanerasera sy hifandray amin’ny olona hafa azo hitokisana toy ny bebeany, ny dadabeany, ny mpitaiza azy…

Lire la suite

Articles Similaires