• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo mety hitranga rehefa mihetsi-jaza

10/09/2024 14:49 © Moov.Mg

Dingana iray isan’ny mampitaintaina ny bevohoka, indrindra mandritra ny vohoka voalohany, ny fihetsehan-jaza. Maro ny fanontaniana mifanesy ao an-tsaina mikasik’izany, toy ny hoe manao ahaoana izany mihetsi-jaza ? Inona ny fambara ahafantarana izany ? ‘Ndeha ary ho resahana eto ny mikasika ny fihetsehan-jaza.

Inona no atao hoe mihetsi-jaza ?

Marihana fa voambolana fotsiny ihany ny hoe mihetsi-jaza na hoe kakerin’ny zaza. Raha ny marina dia tsy tena hoe mihetsika ny zaza na koa hoe manaikitra ny bevohoka izy fa fambara ahafantarana fotsiny hoe efa hiteraka ny zaza izy io. Izany hoe efa manomboka midina any amin’ny lalana fivoahany ny zaza ao am-bohoka ka efa vonona ny ho teraka. Rehefa mihetsi-jaza izany ny bevohoka dia mila manantona malaky ny toeram-piterahana.

Ireo fambara ahafantarana fa mihetsi-jaza

Samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay ka tsy voatery mitovy avokoa ny fisehon’ny fihetsehan-jaza. Misy ireo vetivety dia teraka fa misy ihany koa ireo maharitra ora maro ny fihetsehan-jaza. Amin’ny ankapobeny dia ireto manaraka ireto ireo fambara mety hitranga rehefa mihetsi-jaza :
-Reraka be tampoka ka lasa te hatory be. Mety ho renoka mihintsy aza. Amin’io fotoana io no hanangonan’ny vatana hery hiatrehana ny fiterahana ;
-Mety ho vaky ny ranondohany ka misy rano mafana mivoaka tampoka ny fivaviana. Eo ho eo amin’ny 1 kaopy eo io rano mivoaka io. Tsy voatery ho vaky foana nefa ny ranondohany rehefa mihetsi-jaza fa mety ny mpampiteraka no mamaky azy rehefa hiteraka ilay bevohoka ;
-Marary ny kibo, toy ny nidiran’ny rivotra na toy ny fanaintainana rehefa tonga ny fadimbolana. Mahatsiaro te hangery ihany koa. Mamaly any an-damosina ilay fanaintainana. Izay no atao hoe « contractions », izany hoe mikainkona ny tranon-jaza hanosehana ny zaza hidina hivoaka. Mila tadidiana ny elanelan’ny fe-potoana manasaraka ireo « contractions » 2 mifanaraka satria ilain’ny mpampiteraka izany.

Ireo fomba atao hampihenana ny fanaintainan’ny fihetsehan-jaza

Mba hampitoniana ny fanaintainana vokatry ny « contractions » mandritra ny fihetsehan-jaza dia ireto manaraka ireto ny torohevitra tsara atao :
Amboarina ny « respiration ». Ezahana atao farak’izay miadana indrindra ny « respiration ». Atao toy ny mitsoka labozia izay tsy tiana ho faty. Manampy amin’ny fanelanelanana ny fanaintainana izany. Rehefa hamoaka rivotra amin’ny vava dia sokafana kely ny vava mba ahafahan’ny molotra toa ny mangovingovitra rehefa mivoaka ny rivotra. Manampy ny vozon’ny tranon-jaza ho mora misokatra izany.
Ezahana ampitoniana ny vatana sy ny saina na dia marary be aza ilay kakerin’ny zaza. Rehefa matahotra sy miferotr’aina mantsy dia lasa mihenjana ny hozatry ny vatana ka vao maika izany manakana ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza.
Ovaina ny « positions » ny vatana mba hanelanelanana ny fanaintainan’ny « contractions » sy hanampiana ny fidinan’ny zaza ao amin’ny andilana. Azo atao ohatra ny mitingitingina sady sokafana tsara ny fe, mandeha tongotra sady mihohoka any aloha, mipetraka amin’ny seza mivadika ka ny fiankinana no atao eo aloha…

Lire la suite

Articles Similaires