• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pampers
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra mikasika ny mason’ny zaza sy ny fivoaran’izany

28/08/2024 19:13 © Moov.Mg

Mbola tsy azo ampihoarina amin’ny mason’ny lehibe mihintsy ny mason’ny zaza vao teraka. Mivoatra malaky ary tena mahavariana kosa nefa izany anatin’ny volana sy ny taona. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra manodidina ny mason’ny zaza sy ny fivoaran’izany.

Herinandro vitsy aorian’ny fahaterahan’ny zaza

Manjavozavo ny fahitan’ny zaza mandritra ny herinandro maro aorian’ny haterahany. Arak’izany dia mbola voafetra ny zavatra hitany. Ireo loko marevaka be sy ny zavatra akaiky ihany no mbola hitan’ny masony. Voasarika kokoa amin’ny endrika ny fahitany, indrindra fa endriky ny reniny.

Zaza 3 hatramin’ny 5 volana

Mandritra ireo volana vitsy voalohan’ny zaza no manomboka mihatsara tsikelikely ny fahitan’ny masony. Efa manomboka mahay manavaka loko, endriky ny zavatra sy ny « détails ». Efa mivoatra ihany koa ny fiaraha-miasan’ny maso roa. Maharaka ny fihetsiky ny olona amin'izay izy, na dia haingana be aza izany. Izay no mahatonga azy manomboka manara-maso ny olona izay mihetsika manodidina azy.

Zaza 6 volana hatramin'ny 8 volana

Efa manomboka manakaiky ny fahitan’ny lehibe ny fahitan’ny zaza manomboka eo amin’ny faha 6 volana. Mivelatra 120° any zavatra hitan’ny masony ary mahatratra hatramin’ny 1m ny alaviran’izany. Efa mihamaro ihany koa ireo loko hitany.

Zaza 9 volana hatramin’ny 1 taona

Azo lazaina efa mivelatra tokoa ny fahitan’ny zaza manomboka ny faha 9 volany. Efa mahita tsara ny loko marevaka rehetra ny masony. Ny loko matsatso kosa mbola hitany tsara. Rehefa feno 1 taona izy dia manomboka efa maoty ny fahitany. Efa mahita lavitra hatramin’ny 6m ny masony, mahita ny loko rehetra,

Lire la suite

Articles Similaires