• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpedia
Image
Reny&Zaza

Zaza manavy : ireo tsara fantatry ny ray aman-dreny

22/08/2024 20:15 © Moov.Mg

Zavatra isan’ny mampitaintaina ny ray aman-dreny ny hoe manavy ny zaza. Maro ny antony mety mahatonga izany. Etsy andaniny dia misy ihany koa ireo ray aman-dreny tsy mahay manavaka hoe manavy sa mafana hoditra fotsiny ihany ilay zaza. Maro ihany koa ireo fihevitra diso rentsika eny amin’ny fiarahamonina eny mikasika izany. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny mikasika ny zaza manavy.

Ahoana ny ahafantarana fa manavy ny zaza ?

Araka ny efa voalaza teo ambony dia tsy voatery ho manavy ny zaza mafana hoditra. Atao hoe manavy ny zaza rehefa nalaina tamin’ny « thermomètre » ny hafanan’ny vatany ka hita fa mihoatra ny tokony ho izy. Marihana fa samihafa ny fahatsapana ny hafanan’ny hoditra satria tsy mitovy ny vatan’ny tsirairay.
Tsy azo atokisana noho izany ny fitsapana fotsiny amin’ny tanana ny hafanan’ny zaza ahafantarana hoe manavy izy na tsia. Tsara ihany koa ny manamarika fa raha ambany mihoatra ny tokony ho izy ny hafanan’ny vatan’ny zaza nefa tsy mangatsiaka ny andro dia mitovy lanja amin’ny manavy ihany koa izany.

Inona no antony mety mampanavy ny zaza ?

Amin’ny ankapobeny dia ny fidiran’ny otrikaretina, toy ny viriosy, bakteria na mikraoba, anaty rà no mampanavy ny zaza na ny lehibe ihany koa. Fihevitra diso izany ny hoe folaka ilay zaza dia manavy. Rehefa mbola vao teraka iny hatramin’ny faha enimbolana ny zaza dia manana ny hery fiarovan’ilay reny. Aorian’io fotoana io dia mihena izany hery fiarovana izany ka lasa mora andairan’ny otrikaretina izy.
Maro ireo karazana viriosy mahatonga ny zaza hanavy. Matetika tsy mila fanafody fa ny vatana ihany no mamorona hery fiarovana hiadiana amin’izany. Raha bakteria kosa no mahatonga ny zaza hanavy dia mila fanafody hitsaboana ny aretina mahazo azy.

Inona no mety mahatonga ny zaza nahazo fanafody mbola manavy elaela ?

Maro tokoa ireo ray aman-dreny no tsy mahatoky ny fitsaboan’ny mpitsabo rehefa manavy ny zaza ka lasa mitady vahaolana hafa toy ny hoe manantona mpanotra. Araka ny nazavaina teo dia mamorona hery fiarovana ny vatan’ny zaza hiadiana amin’ny viriosy izay mampanavy azy.
Noho izany antony izany no mahatonga ny zaza manavy elaela na efa nahazo fanafody aza. Midina ho azy io hafanany io rehefa ampy ny hery fiarovana novokarin’ny vatan’ny zaza. Mety hanavy ihany koa ny zaza rehefa avy atao vaksiny na koa rehefa maniry nify.

Rehefa inona no mila taitra raha manavy ny zaza ?

Mila taitra ary manantona toeram-pitsaboana malaky raha manavy ny zaza ka miseho miaraka amin’izany ireto fambara manaraka ireto :
-Mangana ny molotra sy ny rantsana ;
-Mihinjitra ny tenda ;
-Mivadika mavo ny hoditra, maso, pipy ;
-Mihena ny habetsaky ny pipy ;
-Tsy mahatsiaro tena ;
-Mivalana na mangery rà ;
-Mifanontona ;
-Mikohoka ;
-Misy ratra amin’ny vatana na ny hoditra ;
-Mandoa ;
-Mizihitra sy mihamafy ny kibo.

Lire la suite

Articles Similaires