• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bébé Ours
Image
Reny&Zaza

Ireo fomba hahafantarana fa mangatsiaka ny zazakely

20/08/2024 15:35 © Moov.Mg

Mbola marefo ny vatana sy ny fahasalaman’ny zazakely ka mila harovana tsara amin’ny hatsiaka, indrindra rehefa ririnina toy izao. Satria izy mbola tsy mahay miteny sy mitaraina dia anjaran’ny ray aman-dreny no mamantatra hoe mangatsiaka izy. Ireto manaraka ireto ary ny zavatra tokony ho jerena hahafantarana fa mangatsiaka ny zaza.

Arahana maso ny fihetsiky ny zaza

Rehefa mangatsiaka be ny andro na rehefa mivoaka ny trano dia mila arahana maso ny fihetsiky ny zaza sao mangatsiaka izy. Mety hoe mitomany be, matory be foana na diso mamitsaka be loatra tsy toy ny fanaony mahazatra izy. Ireo fiovana amin’ny fihetsiky ny zaza ireo dia mety manambara fa tsy mahazo aina izy satria mangatsiaka. Raha miseho izany dia ampiana ny akanjony, fonosina ny tanany sy ny tongona na rakofana lamba mafana izy mba hahazo hafanana.

Tsapaina ny hatoka sy ny tratrany

Mbola tsy afaka mandrindra ny hafanan’ny vatany ny zazakely. Arak’izany dia mbola tsy afaka mandanjalanja ny hafanan’ny vatany izy na amin’ny andro mafana na amin’ny andro mangatsiaka. Raha mangatsiaka ny zaza dia mety hivokona kely izy ary ataony miforotra mankany amin’ny tendany ny lohany. Mba hijerena raha mangatsiaka izy dia tsapaina ny hatony sy tratrany. Raha mangatsiaka ireo faritra ireo dia mangatsiaka izay ny zaza. Marihina fa tsy voatery ho mangatsiaka ny zaza raha ny tanany na ny tongony no tsapa hoe mangatsiaka.

Jerena ny lokon’ny molotry ny zaza

Fomba hafa ahafana mamantatra fa mangatsiaka ny zaza ny fiovan’ny lokon’ny molony. Lasa somary mangana ny molotry ny zaza rehefa mangatsiaka izy. Matetika moa rehefa mampandro ny zazakely no ahitana io fiovan’ny lokon’ny molony io raha toa maharitra loatra ny fampandroana azy. Fambara hafa mety hiaraka amin’izany ny hoe lasa somary hatsatra ilay zaza. Mila atao mafana avy hatrany izy raha miseho ireo fambara ireo.

Lire la suite

Articles Similaires