• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Reny&Zaza

Fahasalaman’ny bevohoka : mila tandremana ny aretina « listériose »

19/08/2024 15:13 © Moov.Mg

Maro ireo karazana aretina mila tandreman’ny bevohoka ka anisan’izany ny « listériose ». Mety hitera-doza eo amin’ny reny na ny zaza ny fahazoana io aretina io mandritra ny fitondrana vohoka. Fa inona tokoa moa ny « listériose » ? Inona no mahatonga azy ary ahoana ny fisehony ?

Inona no atao hoe aretina « listériose » ?

Aretina iray azo avy amin’ny fanampoizinana ara-tsakafo ny « listériose ». Bakteria iray antsoina hoe « Listeria monocytogenes » moa no mahatonga azy io. Anatin’ny biby sy sakafo sasantsasany no misy io bakteria io ka raha mihinana izany ny bevohoka, na ny olona marefo ny hery fiarovana, dia mety ho tratry ny fanampoizinana ara-tsakafo mahatonga ny « listériose ».

Ahoana ny fisehon’ny « listériose » ?

Raha toa ka tratry ny « listériose » ny bevohoka dia toy izao ireo fambara mety hiseho :
-Manavy ;
-Marary an-doha ;
-Manakotsako ny hozatra sy ny vanin-taolana ;
-Reraka ;
-Mandoa ;
-Mivalana na mitohana.
Araka ny voalaza teo ambony dia mety hitera-doza tokoa ny fahazoan’ny bevohoka satria mety hiparatika anaty ranon-dohany, ahitra, vatan’ny zaza sy ny atidohany ilay otrikaretina. Ankoatra izay dia mety hitarika fahafahan-jaza, faterahana tsy tonga volana, fahafatesan’ny zaza ao am-bohoka, fahasarotana ara-pahasalamana eo amin’ny zaza ao am-bohoka…

Ireo fomba atao hisorohana ny « listériose »

Satria ny sakafo no mety mitondra ny aretina « listériose » dia ny fitandremana amin’ny zavatra hoanina ny fomba voalohany hisorohana ity aretina ity mandritra ny fintondrana vohoka. Marihana fa ny bakteria « Listeria » dia tsy matin’ny hatsiaka fa ny hafanana be ihany no mahafaty azy. Arak’izany dia :
-Atao masaka tsara ny hena vao hoanina ;
-Fadiana ny mihinana « charcuteries » ;
Atao masaka tsara ny atody ka tsy tokony mihinana « œuf sur plat », « mayonnaise »… ;
--Tsy mihinana ronono tsy « pasteurisé », fromazy malemy, hoditra fromazy ;
-Fadiana ny hazan-dranomasina fihinana manta toy ny « huîtres », tekateka, « sushi »… ;
-Sasana madio tsara ny legioma sy voankazo vao hoanina manta ;
-Sasana amin’ny rano sy savony ny tanana vao misakafo.

Lire la suite

Articles Similaires