• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Reny&Zaza

Fampandrezatana zaza rehefa avy misotro biberon :’ndeha ho resahana !

16/08/2024 16:14 © Moov.Mg

Zavatra iray isan’ny hafaraparana matetika ny ray aman-dreny tera-bao ny hoe mila ampandrezatina tsara ny zaza rehefa avy misotro solon-dronono. Indraindray nefa tsy mety handrezatra ny zaza. Fa nahoana tokoa no mila atao mandrezatra ny zaza avy misotro biberon ?

Inona no antony ampandrezatana ny zaza rehefa avy minono ?

Matetika ny zaza rehefa misotro ronono amin’ny biberon dia mahatelina rivotra. Noho izany dia mety tsy ahazo aina izy ka ho sarotra hahita tory na mety handoa ihany koa. Rehefa mandrezatra ilay zaza dia mivoaka ilay rivotra ao amin’ny taova fandevonan-kaniny. Ho afaka ho azy miaraka amin’izany ilay tsy fahazoana aina sy ny mety ho manotika ao amin’ny kibony vokatr’ilay rivotra voatelina rehefa misotro biberon. Noho ireo antony ireo no tokony ampandrezatina hatrany ny zaza avy misotro biberon. Raha sendra resin-tory ilay zaza nefa tsy nandrezatra dia mila arahana maso hatrany satria raha matory mitsilany izy ka mandrezatra tampoka dia mety hahakenda azy izany.

Ahoana ny atao rehefa mampandrezatra zaza ?

Misy fotoana tsy mila ampandrezatana ny zaza fa tonga dia mandrezatra ho azy rehefa voky avy nisotro biberon. Raha tsy nivoaka ho azy kosa nefa izany rezatra izany dia toy izao ny fomba atao hampandrezatana ny zaza :
Trotroina mitodika any amin’ny mpitrotro ilay zaza ary atao somary mandroso mankany amin’ny hatok’ity farany ny lohany. Izany hoe somary trotroina ambonimbony izy ary tazomina tsara ny lamosina sao mivadika tampoka izy. Afaka safosafoina na kapokapokapohana kely ny lamosiny mba hampandrezatra azy. Tsy azo ahetsiketsika na hontsikontsonina kosa nefa ny zaza manjary mandoa.
Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny 1 minitra hatramin’ny 20 minitra aorian’ny fisotroana biberon ny zaza no mandrezatra, miankina amin’ny habetsaky ny rivotra voateliny. Raha tsy mandrezatra mihintsy izy mandritra io fotoana io ka resin-tory dia afaka adaboka fa arahana maso tsara fotsiny sao mandrezatra tampoka ka ho kofona.

Tsy atahorana ve ny zaza tsy mandrezatra ?

Araka ny nazavaina teo ambony dia natao hamoahana ny rivotra tafiditra tao anaty vavonin’ny zaza nandritra ny fisotroana biberon ny fandrezatana. Raha toa ka tsy nitelina rivotra izy tamin’izy nisotro solon-dronono dia tsy misy rezatra ho avoakany. Tsy misy atahorana izany raha tsy mandrezatra ny zaza rehefa izy avy nisotro biberon iny. Mila ampandrezatana hatrany izy isaky ny avy misotro biberon fa kosa tsy mampaninona raha tsy nandrezatra izy mandritra izany.

Lire la suite

Articles Similaires