• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rachel Halimi
Image
Reny&Zaza

Mipetraka na mitsivalana ny zaza ao am-bohoka : ‘ndeha ho resahana !

13/08/2024 11:44 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mampitebiteby ny bevohoka matetika ny hoe mipetraka na mitsivalana ny zaza ao am-bohoka. Fa inona tokoa no mety mahatonga izany ? Tokony misy ahiana ve ? Ahoana ny atao raha mipetraka na mitsivalana ny zaza ao am-bohoka ?

Ny antony mahatonga ny zaza mipetraka na mitsivalana ao an-kibo

Maro ny paozy (position) hivoahan’ny zaza avy ao am-bohoka. Ny mora indrindra dia ny hoe ny loha no ambany sy mivoaka voalohany. Marihana fa mitoetra ao anaty rano ny zaza ao an-kibo. Noho izany dia mitsingevana ao izy ka miodikodina ambony ambany ao. Rehefa mananika ny 8 volana any ny vohoka dia efa lasa lehibe ny zaza ao an-kibo ka mazava ho azy fa lasa tery ny toerana misy azy ka tsy dia afaka miodikodina be intsony izy.
Raha mbola tsy midina mamonjy ny lalan-kivoahana izy dia mbola afaka ny hiodikodina hatrany ka tsy tokony misy atahorana. Arak’izany dia mbola tsy ahiana ny zaza ao am-bohoka mipetraka na mitsivalana raha mbola tsy mananika ny 9 volana ny kibo.

Ireo torohevitra manampy hanovana ny paozin’ny zaza ao am-bohoka

Raha efa mananika ny 9 volana ny zaza ao an-kibo nefa hita amin’ny « échographie » fa mitsivalana na mipetraka dia eo no mila miezaka manao izay azo atao ny bevohoka mba hampiodina ny zaza. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra manampy amin’izany :
Miorirana havia rehefa matory. Asiana ondana eo anelanelan’ny fe mba hisokatra izy ireo. Manampy ny zaza ao an-kibo hilatsaka any amin’ny « bassin » ny fanaovana izany.
Mazoto mietsiketsika fa tsy matory foana. Rehefa mietsiketsika ny vatan’ny bevohoka dia mitontona ny ranon-dohany ka manamy ny zaza ao am-bohoka hiodina izany.
Miakatra eo amin’ny sisin’ny fandriana na seza dia atao miohoka any amin’ny tany ny loha. Atao matetika isan’andro. Tsy mahazo manao ity torohevitra ity kosa nefa ny bevohoka misy tosi-drà na miloloa ahitra ny zaza ao an-kibo.
Asiana zavatra mangatsiaka be (glacé) eo amin’ny faritra ambonin’ny kibo ary asiana zavatra mafana eo amin’ny faritra ambanin’ny kibo. Manintona ny zaza ao am-bohoka ny hafanana ka hiodina ho azy hanakaiky izany izy.

Lire la suite

Articles Similaires