• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra mikasika ny fanalana nono ny zaza

12/08/2024 15:51 © Moov.Mg

Zavatra isan’ny mampiferotr’aina ny reny mampinono ny fanalana nono ny zaza. Misy tokoa mantsy ny zaza no miala nono ho azy fa misy ireo sarotra halana nono. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny fanalana nono ny zaza sy ireo torohevitra manampy amin’izany.

Oviana no mila halana nono ny zaza ?

Marihana fa tsy misy fetra sy faharetana manokana ny fampinonoana ny zaza. Tsara raha minono amin’ny reniny farak’izay ela indrindra ny zaza satria mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatany sy ny fahasalamany izany.
Araky ny toromariky ny mpitsabo manokana ny zaza moa dia tokony rononon-dreny irery ihany no omena ny zaza mandrapa enim-bolany. Tsara raha tohizana hatrany ny fampinonoan-dreny hatramin’ny faha 2 taonan’ny zaza. Raha mbola manohy mampinono ny reny dia mety ho afaka nono ho azy ny zaza eo anelanelan’ny faha 2 sy 4 taonany.
Misy ihany koa nefa ireo reny maniry hanala nono ny zaza, rehefa feno 6 volana na mahery ity farany, noho ny antony maro samihafa. Misy ny zaza no afaka nono ho azy fa misy ihany koa ireo sarotra halana nono.

Ahoana ny fomba atao hanalana nono ny zaza ?

Tsy sakafo fotsiny ihany ny minono ho an’ny zaza fa sady manome fitiavana, hafanana sy fitoniana azy. Noho izany antony izany no mahatonga ny ireo zaza sasany ho sarotra halana nono. Mba hanampiana azy hiala nono ary dia tsara raha :
Ahena tsikelikely ny fotoana fampinonoana ny zaza. Amin’ny atoandro dia atao amin’ny kaopy ny rononon-dreny dia fahanana amin’ny sotrokely. Rehefa alina vao mampinono ;
Ampitomboana ny tambitamby omena ny zaza. Safosafoina, rotsirotsiana, atao « câlins », horina… izy ho solon’ilay fampinonoana azy ;
Raha efa azo resahana ilay zaza, manomboka eo amin’ny 1 taona sy tapany eo, dia resahana am-pitiavana izy hoe solon-dronono indray no homena azy ohatra ;
Raha mbola tsy mahazo resaka izy dia olona hafa no atao manome solon-dronono azy mandrapaha zatrany.

Ireo mila tandremana

Mila faharetana ny fanalana nono ny zaza, indrindra ireo sarotra halana nono. Raha mangataka nono izy dia tsy tokony lavina satria mety vao maika manasaro-javatra izany.
Tsy mety ihany koa ny manosotra zavatra mangidy na masiaka amin’ilay nono. Mety hampikorontana ny fihetseham-pon’ny zaza ny hoe tambitamby sy fitiavana ny nono hatrizay ka tampoka teo lasa nivadika mangidy na masika.

Lire la suite

Articles Similaires