• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Reflex Osteo
Image
Reny&Zaza

Zaza tsakoahana matetika, misy tokony atahorana ve ?

09/08/2024 14:09 © Moov.Mg

Tranga mety miseho ny hoe tsakoahana matetika ny zazakely ao anatin’ny tontolo andro. Inona no antony mety mahatonga izany ? Tokony misy mampanahy ve ? Ahoana ny fomba atao hampitoniana izany ?

Ny antony mety mahatonga ny zaza tsakoahana matetika

Marihana fa vao ao am-bohoka ny zaza dia efa tsakoahana. Ho fanazarany ny tratrany mba hiaina ety an-tany moa no anton’izany. Rehefa teraka soamantsara ny zaza dia mety ho tsakoahana matetika ao anatin’ny tontolo andro. Maro ny antony mety mahatonga izany.
Ny voalohany dia mety ho vokatry ny « irritations » ao amin’ny « diaphragme ». Ity farany moa dia hozatra ao amban’ny tratra izay mandrindra ny fisefoana na « respiration ». Rehefa voky ny zaza dia mitombo ny haben’ny vavoniny ka mety mahavoakitika ny « diaphragme ». Lasa manosika ny fisintomana rivotra (inspiration) malaky kokoa izany ka mahatonga ilay zaza ho tsakoahana.
Ny antony hafa mety mahatonga ny zaza ho tsakoahana ny fahatelemany rivotra. Mety mitranga izany rehefa minono malaky be izy na koa rehefa misanasana ny vavany rehefa miomehy na falifaly na mitomany izy. Ny fiovana hafanana tampoka sy ny fomba fatoriana ihany koa dia mety mahatsakoahana ny zaza.

Tsy tokony misy mampanahy ny zaza tsakoahana matetika

Rehefa tsakoahana ny zazakely dia mety mamoaka feo kely sady toy ny mihovitra kely mihintsy ny vatany ka iny no mampitaitaina ny ray aman-dreny. Mety maharitra minitra maro moa izany ka vao mainka mampitebiteby. Marihana nefa fa « normal » ny zaza tsakoahana ary tsy tokony misy atahorana be izany. Raha toa kosa nefa ka misy fambara hafa miaraka amin’izany, toy ny hoe mitomany sy tsy mahazo aina ilay zaza isaky ny tsakoahana, mandoa… dia mila manantona mpitsabo.

Ireo fomba atao hampitoniana ny tsakoahana amin’ny zaza

Amin’ny ankapobeny dia mijanona ho azy ny tsakoahana eo amin’ny zaza kely. Rehefa feno 1 taona eo izy dia mihena izany ary mety tena mahalana be vao miseho. Misy ihany ireo torohevitra manampy hampitoniana ny tsakoahana eo amin’ny zaza, toy ny hoe :
Safosafoana ny lamosiny na atao miankina eo amin’ny tratran’izay mitrotro azy izy mba hampitony azy sy hampiadana ny fisefoany. Azo omena nono (minono amin’ny reniny fa tsy solon-dronono) satria mampitony azy izany.
Raha efa mihoatra ny 6 volana ny zaza dia afaka omena rano satria rehefa mitelina izy dia milamina moramora ilay tsakoahana. Raha zaza efa lehibe dia azo asiana voasary makirana indroa mitete ao am-bavany. Fadiana kosa ny manaitra na mampitahotra ny zaza mba hampijanonana ny tsakoahana satria vao maika izy hiaina malaky kokoa ka vao maika ho tsakoahana.

Lire la suite

Articles Similaires