• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Similac.Ca
Image
Reny&Zaza

Ireo zavatra samihafa azo ampiasana ny rononon-dreny

08/08/2024 16:53 © Moov.Mg

Ny rononon-dreny no sakafo feno sy tonga lafatra ho an’ny zazakely. Manan-karena otrikaina sy sela velona miaro ny zaza amin’ny aretina maro izy io. Ankoatra izay dia misy ireo zavatra samihafa azo ampiasana ny rononon-dreny ka santionany amin’izany ireto zaraina manaraka ireto.

Mampitony sy manasirana ny lohanono mitriatra

Maro tokoa ny reny tera-bao mampinono no mijaly vokatry ny lohanono vakivaky sy mitriatra. Isan’ny mahatonga izany moa ny tsy fanasana tsara ny lohanono nandritra ny fitondrana vohoka. Manaintaina tokoa izy io rehefa minono ny zaza. Mba hampitoniana izany sy hahasitrana haingana ilay lohanono vakivaky dia osorana rononon-dreny ny lohanono isaky ny rehefa avy minono ny zaza.

Hanesorana ny tainkombondoha

Rehefa vao teraka ny zazakely dia misy ilay marokoroko toy ny takopery mipetaka eo amin’ny andriny sy ny tampin-dohany. Ireny zavatra ireny no antsointsika hoe tainkombondoha. Sady manorisory ny zaza izy ireny no manaratsy endrika. Mba hahamora ny fanesorana azy ireny dia rarahana rononon-dreny eo amboniny ary avela hilona kely mandritra ny minitra vitsy. Fafana moramora amin’ny coton mba hiala. Atao isan’andro izany mba hampiala haingana ny tainkombondoha.

Hanadiovana ny mason’ny zaza misy conjonctivite

Satria mbola marefo ny mason’ny zaza dia mora voan’ny conjonctivite izy ireny. Matetika moa dia miseho amin’ny alalan’ny fisian’ny tai-maso betsaka eo amin’ny sisin’ny mason’ny zaza ny fisehon’izany. Raha sendra misy izany ny zazakely dia asiana rononon-dreny kely indray mitete ao anatin’ny mason’ny zaza rehefa avy nodiovina tamin’ny « sérum physiologique ». Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha toa ka be dia be loatra ilay tai-maso na koa tsy afaka anatin’ny andro vitsy.

Mampitony sy manasitra ny masaka amin’ny vatan’ny zaza

Isan’ny zavatra mampijaly ny zazakely tokoa ny misy masaka eo amin’ireo faritra mivalombalona amin’ny vatany, toy ny eo amin’ny elakelam-pe, ny helika, ny tenda… Rehefa avy nodiovina ireo faritra masaka ireo ary natao maina tsara dia rarahana rononon-dreny mba hampitony sy hahamora sitrana izany. Mananana fiasa « cicatrisant » tokoa mantsy izy ireny. Raha toa kosa nefa ka efa menamena be ilay masaka amin’ilay zaza dia mila entina jeren’ny mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires