• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Monmedenligne
Image
Reny&Zaza

Fomba fanadiovana ny orona tsentsina amin’ny zazakely

07/08/2024 13:46 © Moov.Mg

Zavatra isan’ny manelingelina sy mahakizitina ny zazakely fahatsentsenan’ny orona. Mety mahatonga tebiteby ho an’ny ray aman-dreny izany satria sarotra ny mamantatra izany. Resahana eto ary ireo fambara ahafantarana fa tsentsina ny oron’ny zaza, ny antony mety mahatonga izany sy ny tokono atao hanesorana izany.

Ireo fambara ahafantarana fa tsentsina ny oron’ny zaza

Satria ny zazakely mbola tsy mahay miteny sy mitaraina dia sarotra amin’ny ray aman-dreny ny mamantatra fa tsentsina ny orony. Misy ireo fambara manampy ahafantarana izany ka mila arahina maso, indrindra rehefa voan’ny sery sy misimisy lelo ny zazakely.
Isan’ny fambara ahafantarana fa tsentisina ny oron’ny zaza raha toa ka miaina amin’ny vava izy. Raha tsikaritra fa mierotra be ilay zaza rehefa matory dia mety tsentsina ihany koa ny orony. Ankoatra izay dia mety lasa malaina minono ihany koa ilay zaza satria sahirana izy miaina amin’ny orony dia ny vavany no ampiasainy.

Ny antony mety mahatonga ny oron’ny zaza ho tsentsina

Ny antony voalohany mety mahatsentsina ny oron’ny zaza dia ny fisian’ny sery na ny gripa. Misy ihany koa nefa ireo anton-javatra hafa mety mahatonga izany, toy ny fisian’ny vovoka ao an-trano na any amin’ny toerana misy azy. Ankoatra izay dia mahatsentsina ny oron’ny zaza ihany koa ny fampiasana « chauffage » ao an-trano rehefa mangatsiaka ny andro. Miteraka fahamainan’ny rivotra iainan’ilay zaza mantsy izany.

Ny fomba atao hitsaboana ny oron’ny zaza tsentsina

Mila tsaboana ny oron’ny zaza tsentsina satria sady tsy mampahazo aina azy no mety hanempotra azy izany raha maharitra loatra. Ireto manaraka ireto ary ny fomba tsotra azo atao amin’izany :
Mampiasa ranon-tsira anesorana ny tsentsina amin’ny oron’ny zaza. Tsotra ny fanaovana azy. Maka rano mafana 1 vera ary asiana vovon-tsira fahefan’ny sotrokely. Afangaro tsara mandrapahalevon’ny sira. Rarahana « goutte » kely amin’io fangaro io isan’andro ny oron’ny zaza.
Mampiasa sérum physiologique. Rehefa avy nodiovina ny oron’ny zaza dia tsifirina amin’ny sérum physiologique (ilay kely eny amin’ny pharmacie). Atao indray mandeha isan’andro.
Tsara raha ao amin’ny trano maina sy tratran’ny masoandro no itaizana ny zaza mba hisorohana ny fahatsentsenan’ny orony. Tandremana ihany koa mba tsy atao mijanona maharitra amin’ny toerana be vovoka izy.

Lire la suite

Articles Similaires