• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Amazon
Image
Reny&Zaza

Ireo antony tsy tokony hanomezana vatomamy be loatra ny ankizy

05/08/2024 14:16 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra ankafizin’ny ankizy tokoa ny vatomamy. Manintona tokoa mantsy izy ireny noho izy tsara tsiro, tsara loko sy tsara endrika. Tsy tsara homena vatomamy be loatra ny ankizy satria maro ny mety ho vokadratsy aterak’izany. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Mahatonga areti-nify ny fihinanana vatomamy be loatra

Efa fantatry ny maro ny hoe mankarary nify ny fihinanana vatomamy be loatra. Ny vatomamy tokoa mantsy dia mitahiry siramamy amin’ny fatrany ambony dia ambony. Ny bakteria ao anatin’ny vava dia mivelona amin’ny siramamy ary mamokatra asidra. Io asidra io no mikiky sy mamotika ny nify. Marina fa tsy ilay siramamy anaty vatomamy no manimba mivantana ny nify. Mandray anjara lehibe amin’izany kosa nefa izany.

Mampitombo ny « risques » mahakenda ny ankizy madinika

Tsy tsara omena vatomamy ny ankizy madinika satria atahorana mety hahakenda azy ireny izany, indrindra moa ny vatomamy tsy misy tahony. Ny fihinanana vatomamy mafy sy mora voatelina no isan’ireo antony matetika mahakenda ny ankizy kely amin’ireo zavatra fihinana. Tsy tokony omena ireny karazana vatomamy ireny noho izany ny ankizy latsaky ny 5 taona. Raha te hanome vatomamy dia ireo karazany malemy sy mora tsakoana no omena azy.

Mahatonga ny zaza ho « hyperactifs »

Ireo singa fitahirizana sy manome loko izay hita anatin’ny vatomamy dia ahiana ho mampitombo ny fihetsika « suractifs » sy ny « troubles d’hyperactivité » eo amin’ny ankizy. Izany hoe lasa diso mavitrika sy mipelipelika be loatra ny ankizy, toy ny hoe tsy mety reraka. Ny singa iray atao hoe « acide benzoïque » fahita anatin’ny ankamaroan’ny vatomamy avy any ivelany no isan’ireo voalaza fa mahatonga izany.

Mampatavy

Ny vatomamy dia mitahiry singa iray atao hoe « saccharose ». Ity farany dia siramamy voasokajy anatin’ny hoe « sucre rapide » izay mivadika ho lasa « glucose ». Rehefa mihinana vatomamy be loatra dia mitombo mihoatra ny fatra ilain’ny vatana ny « glucose » vokariny. Io siramamy mihoatra io dia avadiky ny sakaraty ho lasa tavy ary tehiriziny ao amin’ny vatana. Ireo tavy ireo no miandrona ka lasa mahatonga ilay ankizy ho lasa matavy. Ankoatra izay dia mampitombo ny fitiavana mitsakotsako anelanelan’ny sakafo ny fihinanana vatomamy be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires