• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Reny&Zaza

Ahoana ny ahafantarana fa tsy ampy fer ny zaza ?

01/08/2024 15:22 © Moov.Mg

Mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fitomboana sy ny fahasalaman’ny zaza ny fer. Rehefa manomboka misakafo ny zazakely dia tandremana mba ho ampy tsara ny tahan’ny fer anatin’ny sakafony. Fa inona tokoa ny asan’ny fer ao amin’ny vatan’ny zaza ? Ahoana no ahafantarana raha tsy ampy fer ny zaza ? Inona no sakafo be fer tsara omena azy ?

Inona no asan’ny fer ao amin’ny vatana ?

Ny fer dia isan’ireo otrikaina ilain’ny vatan’olombelona. Mandray anjara amin’ny fiforonan’ny « globules rouges » izy io. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fitondrana ny « oxygène » mankany amin’ireo singa sy taova manerana ny vatana izy io ary mandrisika ny fiasan’ireo sela rehetra. Eo amin’ny zaza sy ny ankizy dia mandray anjara amin’ny fampitomboana sy ny fampivoarana ny atidoha ihany koa ny fer.
Rehefa mbola minono fotsiny ny zaza fa mbola tsy misakafo dia mahenika ny filana fer ao amin’ny vatany ny rononon-dreny sy ny solon-dronono. Rehefa mihalehibe sy misakafo ny zaza dia mila tandremana tsara mba ho ampy azy ny fer entin’ny sakafo omena azy. Raha tsy ampy fer ny zazakely dia mety mitarika tsy fahampian-drà na « anémie » izany. Etsy andaniny, mey hisy fiantraikany eo amin’ny fitomboany sy ny fivoaran’ny atidohany.

Ireo fambara ahafantarana fa tsy ampy fer ny zaza

Ny tsy fahampiana fer no isan’ireo olana ara-tsakafo fahita indrindra eo amin’ny zaza sy ny ankizy. Miseho tsikelikely izany tsy fahampiana fer izany ary mety mahatonga tsy fahampian-drà. Ireto avy ary ireo fambara ahafantarana fa tsy ampy fer ny zaza :
-Hatsatra ny tarehiny ;
-Malain-komana ;
-Kizitina ;
-Malemilemy toy ny tsy ampy hery ;
-Mora sempotra ;
-Mangatsiaka matetika ;
-Tsy mahazo lanja intsony (tsy mitombo).
Raha tena lasa lavitra ny tsy fahampiana fer eo amin’ny zaza dia mety hanatara ny fivoarana ara-tsain’ny zaza ary mampihena ny hery fiarovana. Mety mampiadana na manakana ny fitombon’ny vatany ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires