• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sitaram Bhartia
Image
Reny&Zaza

Zaza vao teraka : ny antony tsy ampanaovana akanjo mavo azy ireny

30/07/2024 14:31 © Moov.Mg

Anisan’ireo faheno eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe tsy azo ampanaovina akanjo mavo ny zaza vao teraka fa mahatonga azy hanopy mavo izany. Fihevi-diso ihany nefa izany satria singa iray avy ao anatin’ny vatan’ny zaza no mety hahatonga ny hodiny hiloko mavo. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika izany.

Inona no mahatonga ny zaza vao teraka lasa manopy mavo ?

Aretina iray antsoina hoe « jaunisse du nouveau-né » no mahatonga ny lokon’ny zaza hanopy mavo. Ao anatin’ny olombelona dia ahitana singa iray miloko mavo atao hoe « bilirubine ». Miasa amin’ny fanavaozana ny « hémoglobine » ao anaty rà izy io. Ny aty moa no miasa amin’ny famohana io « bilirubine » io any amin’ny pipy sy kakà.
Rehefa vao teraka ny zaza dia be dia be io « bilirubine » io. Satria nefa ny atiny mbola tsy matotra tsara dia mety lasa miangona ao anaty vatany io « bilirubine » io ka izay no mahatonga azy hanopy ho mavo. Ny tarehy, ny tratra sy ny mason’ny zaza moa no voakasik’izany. Matetika dia 2 na 4 andro aorian’ny fiterahana no miseho io « jaunisse du nouveau-né » io.

Ahoana no atao raha manopy mavo ny zaza ?

Rehefa vao teraka ny zaza dia arahin’ny mpitsabo maso ny fahasalamany sy ny fiovany. Mandritra izany no hijerena raha sendra manao « jaunisse du nourrisson » ny zazakely. Izay indrindra no antony tsy ampanaovana akanjo miloko mavo ny zaza vao teraka mandritra ny herinandro nahaterahana farafahakely. Mety handiso ny fahitana ny « jaunisse » amin’ilay tokoa mantsy izany. Raha toa ka manao io « jaunisse du nouveau-né » io ny zaza dia ireto no tokony atao :
-Entina mamonjy hazavan’ny masoandro izy mandritra ny 15mn hatramin’ny 20mn isan’andro. Tsy ny hafanan’ny masoandro no ilaina fa ilay hazavana ihany. Tsy atao mitanin’andro be izany ny zaza ary arovana ny masony ;
-Ampitomboana ny fampinonoana ny zaza raha rononon-dreny no omena azy. Sady mampatanjaka ny atiny izany no manampy amin’ny famoahana haingana kokoa ny « bilirubine » any amin’ny malotony ;
Amin’ny ankapobeny dia miverina ara-dalana ny hodin’ny zaza nanao « jaunisse du nouveau-né » afaka herinandro na tapa-bolana. Mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany kosa raha toa ka :
-Mihamavo ihany koa ny tanana sy ny tongony ;
-Tsy mety hinono, miha mahia na koa mifanintona ilay zaza.
Raha ireo miseho ny iray amin’ireo tranga ireo dia mila fandraisan-tanana manokana ilay zaza satria mety misy fahasarotana ilay « jaunisse » mahazo azy. Marihana moa fa ny zaza tsy tonga volana sy ireo teraka latsaky ny 2,5 kg no mora hitrangany.

Lire la suite

Articles Similaires