• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Zaza maditra alina : ‘ndeha ho resahana !

17/07/2024 09:40 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra manahirana sy mampijaly ny ray aman-dreny tera-bao ny zaza maditra alina. Fomba fiteny ihany moa izany fa ny marina kokoa dia hoe mitomany sy tsy mety matory ilay zazamenavava amin’ny alina fa rehefa atoandro izy no matory be. Inona ary no tokony atao manoloana izany ?

Ny antony mahatonga ny zaza maditra alina

Ny zazamenavava dia mbola tsy mahay manavaka ny atoandro sy ny alina. Tsy nisy izany mantsy tamin’izy mbola tao an-kibo. Ankoatra izay moa dia mety misy ireo antony samihafa tsy mampahazo aina azy sy tsy mampatory azy toy ny hoe misy rivotra ny kibo, noana, mando na misy kakà ny taty… Mba hanampiana ny zaza ahita-tory amin’ny alina dia mila zarina moramora izy ahay hanavaka ny andro sy ny alina. Ankoatra izay dia mila jerena ireo antony hafa mety tsy manelingelina azy sy tsy mampatory azy. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra azo atao amin’izany.

Atao miavaka tsara ny atoandro sy ny alina ho fantatr’ilay zaza tsikelikely

Araka ny voalaza teo ambony dia mila hampianarina tsikelikely hanavaka ny andro sy ny alina ny zazamenavava mba tsy hampaditra alina na hampatory azy amin’ny alina.
Rehefa atondro dia avela hazava tsara ny ao an-trano na matory aza izy. Tsy miteny mora na hoe atao mangina be ny ao an-trano fa atao toy ny mahazatra. Manampy azy hafantatra miandalana hoe atoandro izany ilay mazava sy misy tabataba.
Rehefa alina arak’izany dia atao malefaka hatrany ny hazavana ao an-trano, eny na taitra aza ny zaza, na manolo taty, na mampinono na manome solon-dronono. Atao mangigina ihany koa, izany hoe miteny mora, tsy mandefa fahitalavitra ao amin’ny efitrano fatoriana… Izany dia mba ahafantarany hoe rehefa maizina dia mangigina sy matory.

Mametraka fahazarana (routines) rehefa hariva

Manampy betsaka ny zaza hatory tsara amin’ny alina ny fametrahana fahazarana na « routines » isaky ny hariva mba hanomanana azy hoe efa hatory amin’izay. Anisan’izany fahazarana izany :
-Ny fampandroana ny zaza rehefa harivariva ;
-Ny fanorana azy kely rehefa mandro hanalana ny havizanany ;
-Ny fanomezana azy nono na solon-dronono rehefa avy nandro sy norina ;
-Ny fampatoriana azy ao anatin’ny efitra misy jiro malefaka sy mangingina tsara.

Osorana menaka sy horina mba hampitoniana ny rivotra anaty kibo

Isan’ireo antony mampitomany sy tsy mampatory ny zaza amin’ny alina ny rivotra anaty kibo izay manotika sy mampijaly azy. Matetika miseho izany hatramin’ny faha 4 volan’ny zaza. Mba ampitoniana ny rivotra amin’ny zaza dia hosorana menaka mafana, toy ny diloilo coco, ny kibony ary atao miohoka ny fomba fitrotroana azy.

Lire la suite

Articles Similaires