• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Télégramme
Image
Reny&Zaza

Zaza nianjera na voadona mafy ny loha : inona no atao ?

16/07/2024 13:20 © Moov.Mg

Tranga mety hiseho ny hoe nidona tamin’ny zavatra ny lohan’ny zaza na hoe nianjera izy ka nidaboka tamin’ny tany ny lohany. Tsy tokony hamaivanina izany tranga izany satria mety hitera-doza ho an’ny zaza raha sendra nisy vaky tao amin’ny lohany. Inona ary ny tokony jerena raha mitranga izany ary inona no tokony atao ?

Ireo fambara tokony hampanahy

Raha voadoana mafy ny lohan’ny zaza na nidaboka mafy tamin’ny tany ny lohany dia ireto ny fambara mampanahy mila jerena akaiky :
-Safotra ilay zaza ;
-Tsy mitomany izy ;
-Mitaraina marary an-doha ;
-Mandoa ;
-Lasa miteniteny foana (mi-délire), elaela na sahirana vao mahavita fehezanteny iray, resin-tory tampoka eo am-piresahana.
Raha sanatria mitranga ny iray amin’ireo fambara ireo dia mila manantona « urgences » eny amin’ny hopitaly haingana ny zaza. Ireo fambara ireo tokoa mantsy dia efa fambara fa misy vaky ny anatin’ny lohan’ny zaza ka atahorana mety hisy rà miparitaka any amin’ny atidohany.

Ahoana no atao raha voadona ny lohan’ny zaza ?

Raha toa ka latsaky ny herintaona ny zaza no voadona na nianjera ka voa ny lohany dia mila entina any amin’ny mpitsabo avy hatrany izy. Mila arahi-maso mandritra ny adiny 6 ora hatramin’ny 24 ora any amin’ny toeram-pitsaboana ny zaza.
Mandritra izany fanaraha-maso izany no hijerena sao torana na safotra, mandoa matetika na koa manao fihetsika hafahafa mampanany ilay zaza. Raha mitranga ny iray amin’izany dia mila mandalo fizahana toy ny IRM sy/na Radio izy sao misy rà miparitaka ny atidohany. Raha tsy maninona izy ao anatin’io fotoana fanaraha-maso io dia tsy tokony hisy atahorana izany.
Raha efa mihoatra ny 1 taona ilay zaza nianjera na voadona teo amin’ny lohany dia miankina amin’ny hamafin’ilay fianjerana no handehanana any amin’ny « urgences » na tsia. Raha toa ka ny faritra aorian’ny loha no voadona na nianjera dia misy atahorana kokoa satria malemy ny taolana mandrafitra izany. Raha ny andrina kosa dia tsy dia atahorana be loatra satria mafy ny taolana eo amin’io faritra io.
Mety hisy hivonto eo amin’ilay faritra voadoana. Raha malemilemy ilay fivontosana dia mila entina malaky any amin’ny « urgences » ilay zaza satria mety misy vaky ny lohany. Raha toa kosa ka mafy ilay mivonto dia tsy misy atahorana. Tsindrina mafy amin’ny vola vy ilay fivontosana mba hampihena izany.
Rehefa mitondra ilay zaza any amin’ny dokotera na any amin’ny hopitaly dia mila tadidiana tsara ny ora nahavoadoana na nianjerana ka nahavoa ny lohana mba ahafan’ny mpitsabo manaraka ny fivoaran’ny fahasalamany sy mamaritra ny tokony hatao.

Lire la suite

Articles Similaires