• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Enfant.Com
Image
Reny&Zaza

Zaza maty tao am-bohoka, afa-jaza : ‘ndeha ho resahana

15/07/2024 14:12 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga ny fahafatesan’ny zaza ao am-bohoka na koa ny fahafahan-jaza mandritra ny fitondrana vohoka. Mangidy tokoa ny misedra izany ary mety ho ela vao afaka ny ratram-po. Fa ahoana tokoa no ahafantarana fa afa-jaza ny bevohoka iray ? Inona no antony mety mahatonga izany ? Ahoana ny tokony atao manoloana izany ?

Ireo fambara ahafantarana fa afa-jaza

Maro ny fiovana miseho eo amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Raha sanatria maty ny zaza tao am-bohoka na koa hoe afa-jaza ny bevohoka dia toy izao ny fambara mety hiseho :
-Tsy mahatsapa maloiloy na te handoa intsony nefa nampijalian’izany teo aloha ;
-Tsy tsapa mihetsika intsony ny zaza ao an-kibo ;
-Misy rà na tasy volontany, somary mipetapetaka, mivoaka ny fivaviana ;
-Mihena ny haben’ny tranon-jaza ;
-Tsy re intsony ny fitempon’ny fon’ny zaza rehefa manao « monitoring » na « échographie ».

Inona avy ireo antony mety maha afa-jaza ?

Maro ireo antony mety maha afa-jaza na mahatonga ny fahafatesan’ny zaza tao am-bohoka. Anisan’ireo antony lehibe mahatonga izany :

Ny avy amin’ny reny bevohoka izay misy :

-Diabeta ;
-« Toxémie gravidique » na « prééclampsie ». Izany hoe ambony ny tosi-drà sady misy « protéines » ao anatin’ny pipy ;
-« Endométrites » izay aretin’ny « endomètre » ka tsy ahafahan’ny zaza mipetraka tsara anatin’ny tranon-jaza ;
-Tsy fahampian’ny vitamina B12 ;
-Ambany ahitra na niendaka ny ahitra ;
-Areti-mifindra avy amin'ny firaisana ara-nofo toy ny "syphilis" ;
-Otrikaretina avy amin’ny mikraoba, viriosy na bakteria ;
-Voadoana na voatsindry mafy ny kibo ;
-« Intoxication grave » izay mety ho vokatry ny sakafo na vokatry ny fanafody tsy mety amin’ny bevohoka.

Ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fiforonan’ny zaza

Tsy voatery avy amin’ny bevohoka no antony mahafaty ny zaza ao an-kibo na maha afa-jaza. Mety ihany koa hoe nisy tsy fetezana ny fiforonan’ny zaza ka niteraka ny fahafatesany tao an-kibo. Mety hitranga izany eo amin’ny zaza :
-Nanao « anencéphalie » na hoe kely loatra na tsy niforona mihintsy ny atidoha ;
-Nanao « malformation cardiaque » na nisy tsy fahatomombanana ny fiforonan’ny fo ;
-Nanao « hydrocéphalie » na hoe misy rano anatin’ny loha ;
-Nifamatotra, namatotra ny zaza mafy loatra na niolakolana be ny tadim-poitra ;
-Nisy olana ara-zenetika.

Inona no atao raha afa-jaza na maty tao an-kibo ny zaza ?

Raha sanatria ka miseho ny iray na ny maro amin’ireo fambara nolazaina teo ambony ireo dia mila manantona tobim-pahasalamana avy hatrany. Raha voamarina tokoa fa maty tao am-bohoka ny zaza na afa-jaza ilay bevohoka dia mila avoaka avy hatrany tao amin’ny tranon-jaza ny fatin’ny zaza. Raha efa mihoatra ny 3 volana ny kibo dia tahaka ny miteraka ihany no amoahana ny zaza ao. Raha latsak’izay dia misy fanafody ampiasain’ny mpitsabo amoahana azy.

Lire la suite

Articles Similaires