• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pediakid
Image
Reny&Zaza

Zaza farofy sy mora andairan’aretina : fomba ampitomboana ny hery fiarovany

12/07/2024 10:12 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mampiasa saina sy mampiferotr’aina ny ray aman-dreny ny manana zanaka farofy sy mora andairan’aretina. Isan’ny fomba mahomby indrindra ahatomady azy sy hiarovana azy ireny tsy ho mora marary ny fampitomboana ny hery fiarovany. Ahoana ary ny fomba atao hampitomboana sy hanamafisana ny hery fiarovan’ny zaza ?

Atao mifanerasera amin’ny tontolo ivelany ny ankizy

Isan’ny fahadisoana ataon’ny ray aman-dreny maro ny mikenakena ny zanany mba hiarovana azy amin’ny mety ho loto sy otrik’aretina azo eny amin’ny tontolo ivelany eny. Izany hoe tsy entina mivoaboaka mihintsy ilay zaza fa mijanona ao an-trano foana, fonofonosina lamba be fa hoe sao voan’ny rivotra, ny zaza efa afaka milalao tsy avela hivoaka ny trano satria hoe feno loto any ivelany…
Rehefa kenakenaina be loatra ny zaza dia tsy mitombo ny hery fiarovany. Mila miasa (miady amin’ny loto sy otrik’aretina) ny hery fiarovana mba hampitombo sy hahamafy azy. Izany hoe isaky ny misy mikraoba mifanehitra amin’ny zaza dia mihezaka miady ny hery fiarovany ary rehefa resiny ilay aretina dia misy sela voatahirin’ny vatana ary vonona hiaro azy mandrak’antitra.

Atao avokoa ary ara-potoana ireo vaksiny miaro ny zaza

Tsy azo atao tsirambina ny fanaovana vaksiny ny zaza. Ireo vaksiny atao manomboka ny zaza vao teraka hatramin’ny faha 9 volany dia mampiforona sy manampy ny hery fiarovany hiady amin’ireo otrik’aretina mpahazo ny zaza. Misy amin’ireo moa no miaro azy mandrak’antitra. Hatanjaka kokoa sy tsy ho mora farofy ny zaza vita ireo vaksiny ireo.
Mbola misy ihany koa moa etsy andaniny ireo karazana vaksiny hafa andoavam-bola mbola manampy amin’ny fanamafisana ny hery fiarovan’ny zaza ho fiarovana azy amin’ny otrik’aretina hafa, toy ny sery sy ny gripa.

Omena rononon-dreny mandritra ny fotoana maharitra ny zaza

Averina ombieny ombieny ny maha zava-dehibe ny fanomezana rononon-dreny irery ihany ny zaza hatramin’ny faha enim-bolany. Ny rononon-dreny tokoa mantsy dia mitahiry ireo otrikaina rehetra ilain’ny vatan’ny zaza hampitombo azy ary hahamafy ny hery fiarovany.
Ho an’ny zaza tsy afaka minono amin’ny reniny noho ny antony tsy azo anoharana dia solon-dronono no omena azy. Etsy andaniny dia mila omena ireo karazana « compléments » manamafy ny hery fiarovana izy ireny, indrindra ireo zaza hita fa farofy. Ny mpitsabo manokana ny zaza kosa no mamaritra ny « compléments » tokony omena ny zaza.

Atao be otrik’aina ny sakafon’ny zaza

Rehefa manomboka misakafo ny zaza dia ezahana mba sakafo be otrik’aina sy ara-pahasalamana hatrany no omena azy. Mba hampitomboana sy hanamafisana ny hery fiarovany dia atao sakafo mitondra vitamina (A, C, D), « zinc », kalsioma, « probiotiques »… no omena azy.
Ny voankazo sy legioma maro loko, ny atody, ny trondro ary ny menaka zavamaniry manankarena « oméga 3 » no isan’ireo tsara mandrafitra ny sakafon’ny zaza. Ankoatra izay, ezahana ho ampy torimaso tsara ny zaza mba hanampy hanavao ny sela anaty vatana sy hamerina ny hery.

Lire la suite

Articles Similaires