• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisinez Pour Bébé
Image
Reny&Zaza

Fanaovana « crème dessert » ho an’ny zazakely vita ao an-trano

01/07/2024 11:37 © Moov.Mg

Rehefa feno 6 volana ny zaza dia efa afaka manomboka mihinana sakafo tsikelikely. Ho an’ireo zaza tsy tia misotro solon-dronono dia azo atao tsara ny manamboatra « crème dessert » amin’ny alalan’izany. Araho eto ary ny zavatra ilaina sy ny fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « crème dessert » ho an’ny zazakely

-Solon-dronono in-dimin’ny sotrokely famarana anatin’ny boaty ;
-Rano efa nampangotrahana 150 ml ;
-« Fécule de maïs » 1 sotrokely ;
-¼ ny tahona lavanila 1 (gousse).

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Afangaro anaty vilany kely manokana fikarakarana ny sakafon’ny zaza ny rano sy ny « fécule de maïs ».
Silahana roa ny lavanila ary kaohana amin’ny lohan’antsy ny vaoniny avy eo arotsaka anatin’ilay vilany kely misy ny fangaro teo.
Hataingina eo ambony afo malefaka. Avela hangotraka kely mandritra ny 2 minitra sady haroharoana amin’ny « fouet » mba tsy hisy tambaingana.
Tohizana aroharoana tsy ankiato mandra-pahazoana fangaro malama, tsy matsora nefa tsy marihitra be loatra.
Rehefa vita izay dia bataina ny vilany. Arotsaka ao ny solon-dronono in-dimin’ny sotrokely famarana avy eo aroharoana tsara hifangaro.
Averina hataingina ambony afo malefaka sady aroharoana amin’ny « fouet » mandritra ny 2 minitra. Tsy azo hajanona ela ambony afo manjary miala ireo otrikaina anatin’ny solon-dronono.
Bataina ny vilany ary esorina ilay lavanila. Avela amin’ny toerana mangatsitsiaka. Mihamatevina miandalana io « crème dessert » io rehefa miha mangatsiaka.
Rehefa mangatsiaka vao omena ny zazakely.

Lire la suite

Articles Similaires