• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nhs
Image
Reny&Zaza

Fantaro ireo sakafo mampitombo lanja ny zaza

30/06/2024 16:17 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mampiferotr’aina ireo ray aman-dreny mitaiza kely ny fahitana fa sarotra mitombo lanja ny zaza. Marihana fa tsy azo ampitahaina ny zazakely satria samy manana ny vahany. Raha hita fa pintsana kely kosa nefa ny zaza ka mbola tokony hitombo kokoa dia ireto misy karazana sakafo mampitombo lanja tsara omena azy.

Ho an’ny zaza 4 volana

Raha minono amin’ny reniny ny zaza 4 volana dia ezahana omena nono matetika izy satria mbola tsy tsara omena sakafo hafa. Mila mihinana sakafo manankarena otrikaina sy betsaka kosa ny reny mba hampatavy ny rononon-dreny.
Raha solon-dronono no sotroin’ny zaza feno 4 volana dia afaka asiana ireny « céréales » manokana fatao anaty ronono ireny ao anatiny. Matavy ary misy karazana tsiro samihafa moa ireny « céréales » ireny ka tena tian’ny zaza ary manampy azy hahazo lanja betsaka kokoa.

Ho an’ny zaza 6 volana

Rehefa feno 6 volana ny zazakely dia efa afaka omena sakafo amin’izay. Atao misy « féculents » ny sakafo omena azy, toy ny vary na kobambary, vermicelles, ovy, koba vomanga… Lanjalanjaina tsara kosa nefa ny « féculents » omena ny zaza manjary mampitohana azy.
Efa azo omena legioma atao lasopy ihany koa moa izy. Tsara raha asiana vary gasy mena kely anatin’ny lasopy mba ho be otrikaina kokoa. Tsy adinoina ny manome azy ranom-boankazo tsy nasiana siramamy.
Ankoatra ny sakafo dia omena « goûter » ihany koa ny zaza mba ho mora mitombo lanja. Anisan’ny tsara omena azy amin’izany ny voankazo nandrahoina na « compotes », ny « céréales », ny « yaourt »… Azo rarahana « céréales » kely ihany koa rehefa manome « yaourt » na « compote » azy.

Ho an’ny zaza 8 volana

Rehefa feno 8 volana ny zaza dia efa afaka ampidirana hena, atody sy fromazy anaty sakafony. Hena voatetika madinika sy tsy matavy no atao anatin’ny sakafon’ny zaza. Azo ampiarahana amin’ny vary na amin’ny lasopy izy ireny.
Toy izany ihany koa ny fromazy. Tsara kokoa raha ireny fromazy vaingany ireny no kikisana atao amin’ny vary na ny lasopy.Ny fromazy malemy (ilay telozoro ireny) tokoa mantsy mety mampisy allergies eo amin’ny zazakely. Efa afaka asiana menaka zavamaniry kely ihany koa ny sakafo omena ny zaza.
Mikasika ny « goûter » indray dia mitovitovy amin’ny nomena azy tamin’ny faha 6 volana ihany. Izany hoe ny « compote », « yaourt », « céréales ». Azo asiana voankazo kely voatetika sy tsy atahorana ahakenda ny zaza ihany koa moa ao anatin’izy ireny. Efa afaka manamboatra « goûter » vita ao an-trano natokana ho an’ny zazakely ihany koa. Tohizana hatrany ny fanomezana nono na solon-dronono ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires