• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Olo
Image
Reny&Zaza

Bevohoka mijaly noho ny rivotra : ‘ndeha ho resahana !

27/06/2024 10:40 © Moov.Mg

Maro ireo fiovana sy fanelingelanana miseho eo amin’ny toe-batana mandritra ny fitondrana vohoka. Anisan’ireo fahita ny fisian’ny rivotra ao amin’ny tsinay izay mampijaly ny bevohoka. Inona ary ireo anton-javatra mahatonga ny bevohoka mijaly noho ny rivotra ary ahoana ny fomba atao hampitoniana izany ?

Ireo anton-javatra mahatonga ny bevohoka mijaly noho ny rivotra

Maro ireo bevohoka mijaly noho ny rivotra. Izany hoe mahatsapa miziriziry sy mizihitra misy rivotra ao amin’ny kibo sy ny vavony. Ny fiandronan’ny rivotra ao anaty tsinay no antony lehibe mahatonga izany. Tsy mampahazo aina, manaintaina, mampandefa rivotra sy mandrezatra matetika ary mety mampisalebolebo ny bevohoka ny fisian’izy io. Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny bevohoka ho be rivotra :
-Ny fikorontanan’ny hormonina (progestérone) izay manankorontana ny fiasan’ny vavony sy mampiforona rivotra anaty tsinay ;
-Ny fihinanana sakafo mahabe rivotra, toy ny vary, mofo, mofomamy, brocoli, soflera, paoma….
-Ny fihinana sakafo be menaka, mamy loatra, zava-pisotro misy « gaz », masiaka na koa sarotra levonina noho izy ireny mampijaly sy mampizihitra vavony ;
-Ny fisakafoanana na fisotroana rano haingana loatra, ny fitsakoana siligaoma satria mampiditra rivotra betsaka ao am-bava izany ;
-Ny tsy fahampian’ny fanetseham-batana ka lasa tsy mahavoaka rivotra araka ny tokony ho izy ny vavony ;
-Ny rarin-tsaina sy ny tebiteby izay mampikaikona ny tsinay sy mampamorona rivotra ao anatiny ;
-Ny fitohanana, ny ratra ao amin’ny vavony, ny tsy fahalevonan-kanina izay mampijaly ny tsinay sy mampiforona rivotra ao aminy ;
-Ny fifohana sigara izay mampijaly ny vavony sy mampizihitra izany.

Ireo fomba atao hisorohana izany

Misy ireo torohevitra afaka manampy ny bevohoka mba hisorohana ny rivotra sy ny vavony miziriziry. Anisan’izany ny :
-Fampihenana ny fihinanana ireo sakafo voalaza fa mahabe rivotra, saro-devonina sy mampijaly vavony voalaza teo ambony ireo ;
-Ny fampihetsehana vatana toy ny fandehanana tongotra mba hampihetsiketsika ny vavony sy hampizotra tsara ny famoahana ny rivotra ao anatiny ;
-Fisotroana rano miadana sy ny fitsakoana tsara ny sakafo vao hatelina ;
-Tsy fitsakoana siligaoma ;
-Fialana sigara.
Raha toa ka efa natao avokoa ireo torohevitra ireo nefa mbola mahatsiaro tena be rivotra sy mizihatra kibo foana ny bevohoka dia mila manantona mpitsabo na rasazy. Ireto farany no manao ny fizahana ilaina sy manome ny fitsaboana sahaza ny bevohoka mba hampitsaharana izany fijaliana noho ny rivotra izany.

Lire la suite

Articles Similaires