• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Reny&Zaza

Torohevitra ho an’ny bevohoka masin’aty sy marary vavony

12/06/2024 14:03 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mahazo ny bevohoka ny marary vavony sy masin’aty, izany hoe misy marikivy miakatra ao anaty tenda ka dia manelingelina tokoa. Fa inona no mahatonga izany ary ahoana ny fikafika azo atao hisorohana sy hampitoniana azy ireny ?

Ireo antony mahatonga ny bevohoka ho masin’aty sy marary vavony

Rehefa bevohoka ny vehivavy dia mamokatra bebe kokoa ny hormonina antsoina hoe « progestérone » ny vatany. Ny « progestérone » dia mampalefaka ireo hozatra anaty kibo ahafany hitomboany ny zaza ao am-bohoka.
Ankoatra izay nefa dia lasa miha malefaka ihany koa ny hozatra iray izay manidy ny vavony. Io hozatra io no manakana ny sakafo tsy hiverina any amin’ny tenda. Vokatr’izany dia lasa mivoaka tao anaty vavony ilay asidra tokony handevonana ny sakafo ka miteraka mamaivay be ao amin’ny vavony sy ilay fahatsapana masin’aty.

Ahoana ary ny atao hisorohana sy hampitoniana izany ?

Mba ampitoniana ny masin’aty sy ny aretim-bavony mahazo ny bevohoka dia ireto ary misy torohevitra manampy tsara atao :
-Ferana ny fihinanana sakafo matavy sy be menaka izay saro-devonina. Ahena ihany koa ny sakafo marikivy toy ny voasary makirana, ny mananasy, « vinaigrette »… Torak’izany ihany koa ireo sakafo maha masin’aty toy ny kafe, zava-pisotro misy « gaz », sôkôla… ;
-Tsy manao voky loatra satria raha feno loatra ny vavony dia sahirana ilay hozatra manidy azy io ka vao maika mora mivoaka ny sakafo. Tsara kokoa raha mihinana sakafo kelikely dia manao « goûter » raha noana ny bevohoka ;
-Ezahana atao lavitry ny ora fatoriana ny ora fisakafoanana. Adiny roa alohan’ny hatory no misakafo hariva. Rehefa avy misakafo atoandro ihany koa dia miandry ora iray izay vao mandeha mitsotsotra matory atoandro ;
-Atao ambonimbony ny ondana mba tsy ahamora miverina ny sakafo rehefa matory amin’ny alina.
-Raha mahatsapa fa marary ny vavony na masin’aty dia sakafo mangatsitsiaka na « glacé » mihintsy no hoanina mba hampitoniana izany ;
-Azo atao ihany koa ny misotro rano nasiana karibonetra kely na misotro Rano Visy na Visy Gasy mangatsiaka mba ampijanona ny masin’aty sy ny aretim-bavony.
Raha efa natao daholo ireo torohevitra ireo nefa tsy mbola mety mitony ny aretim-bavony na ny masin’aty dia mila manantona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires