• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : fantaro ny mikasika ny atao hoe « hydramnios »

03/06/2024 16:01 © Moov.Mg

Mbola vitsy amintsika ny mahafantatra ny atao hoe « hydramnios » mandritra ny fitondrana vohoka. Mety miteraka fahasarotana eo amin’ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo izy io raha tsy voaray an-tanana mialoha. Fantaro eto ary ireo tsara fantatra mikasika izany.

Inona no atao hoe « hydramnios » ?

Ny « hydramnios » dia fahabetsahan’ny rano atao hoe « liquide amniotique » anatin’ny kibon’ny bevohoka ka tsy mihena intsony fa lasa be loatra. Raha ny tokony ho izy dia miovaova ny fatran’ny « liquide amniotique » mandritra ny fitondrana vohoka. Amin’ny voalohany dia mitombo foana aloha io rano io ary rehefa akaiky ho teraka dia mihena amin’izay.
Izay no antony mampihena ny refin’ny kibo rehefa miandry andro ny bevohoka. Amin’ny ankapobeny dia tokony manodinina ny 800 ml hatramin’ny 100 ml ny fatran’io rano io. Tsy ara-dalàna raha mihoatra izany fatra izany satria mety hatratra 3 l hatramin’ny 7 l izy io ka izay no atao hoe « polyhydramnios ».

Ireo antony mety mahatonga ny « hydramnios »

Maro ireo antony mety mahatonga ny « hydramnios », anisan’izany ny :
-Tsy fahatomombanan’ny fikorian’ny rà sy ny rano mankany amin’ny zazakely sy ny ahitra ;
-Fahasamponan’ny zaza ao an-kibo ;
-Fisian’ny diabeta mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Tsy fahampiana rà teo amin’ny bevohoka ;
-Fisian’ny aretina teo amin’ny reny nandritra ny fitondrana vohoka ;
-Tsy fahatomombanan’ny « chromosome ».

Inona avy ireo mety ho fiantraikan’ny « hydramnios » ?

Mila arahana maso tsara ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza mandritra ny fitondrana vohoka. Misy ireo fambara mety ahafantarana ny « hydramnios », toy ny hoe :
-Sempotra tsy avy mihaina ilay bevohoka ;
-Mivonto hatrany amin’ny ranjo ny tongotra ;
-Mitombo be loatra ny refin’ny kibo sy ny lanjan’ilay bevohoka ;
-Miziriziry toy ny hoe mafy be ilay kibo ka mahatonga ny fihetsehanjaza aloha loatra sy teraka tsy tonga volana ;
-Vaky aloha be ny ranondohany ka lasa mampiditra loto any amin’ny zazakely sy mety mampanavy ilay reny.

Lire la suite

Articles Similaires