• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Leche League
Image
Reny&Zaza

Mila sarahana nono tokoa ve ny zaza rehefa bevohoka ny reniny ?

31/05/2024 10:06 © Moov.Mg

Fahenontsika matetika ny hoe mila sarahana nono ny zaza rehefa bevohoka ny reniny. Maro ny honohono re mikasika izany, toy ny hoe lasa poizina ho an’ny zaza minono ilay rononon-dreny rehefa bevohoka ilay mpampinono. Fantaro ary ireo hevi-diso mikasik’izany sy ireo antony mety ilana hanalana nono ny zaza raha bevohoka ny reniny.

Ireo tsaho sy hevi-diso mikasika ny fampinonoana zaza rehefa bevohoka

Tsy tokony misy atahorana ny manohy ny fampinonoana ny zaza na bevohoka azy ny mpampinono. Tsy misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny bevohoka na ny zaza ao an-kibo ny fanohizana ny fampinonoana mandritra ny fitondrana vohoka. Maro ireo hevi-diso mila ahintsy mikasik’izany, toy ny hoe :

Mivadika lasa poizina ho an’ny zaza minono ilay rononon-dreny

Tsaho fotsiny ihany ny filazana fa lasa poizina ho an’ny zaza minono ny rononon-dreny raha bevohoka ny mpampinono. Ny marina dia miova lasa somary masira kokoa fa tsy mamy toy ny taloha ilay ronono. Tsy hoe mivady ilay nono no mahatonga izany fa mihena ny fatran’ny ronono vokarin’ny vatana. Mbola mitahiry ireo otrikaina rehetra ilain’ny zaza hatrany nefa izany.
Raha efa mamokatra ranombatsy ny nonon’ilay reny bevohoka dia mety lasa mampangery mitsiranoka ilay zaza minono. Ny ranombatsy tokoa mantsy dia mampangery (laxatif) ny zaza mba hamoahan’ny zaza ny loto rehetra tao anatin’ny vatany tamin’ny naterahany. Tsy hoe mivalana na marary kibo izy noho izany raha lasa mitsiranoka ny kakà-ny.

Trohan’ilay zokiny daholo ny rononon-dreny ka tsy misy ho an’ilay zaza ho teraka intsony

Hevi-diso ihany koa ny fiheverana fa ritran’ilay zokiny mbola minono ny rononon-dreny bevohoka ka tsy hisy tavela ho an’ilay zaza ho teraka intsony. Marihana fa rehefa mitroka ronono ny zaza minono dia mamokatra hormonina mpampokatra rononon-dreny ny vatan’ny mpampinono ka tsy mety ho lany tanteraka izany. Noho izany dia tsy maintsy hisy hatrany izany rehefa teraka ny zaza ao an-kibo.
Ny zavatra mety hitranga dia ny fikorontanan’ny famokaran’ny vatana rononon-dreny mandritra ny fitondrana vohoka. Manomana ny fahatongavan’ny zaza ao an-kibo sy ny famokarana rononon-dreny ho azy ny vatana ka mety ho ritra ny nono indraindray, hiova ny tsiron’ny rononon-dreny…

Rehefa inona no tokony sarahana nono ny zaza raha bevohoka ny reniny ?

Misy ihany fotoana tsy ahafahana mampinono ny zaza intsony rehefa mitondra vohoka. Mety asain’ny mpitsabo na ny rasazy mampiato ny fampinonoana zaza ny bevohoka raha toa ka :
-Atahorana ho teraka tsy tonga volana ilay zaza ka mila maka aina be ilay bevohoka ;
-Tsy ampy sakafo ny reny satria ataon’ny vatana laharam-pahamehana hatrany ny famokarana ny rononon-dreny ka lasa kaofiny avokoa ny otrikaina ao amin’ny vatan’ny bevohoka ;
-Bevohoka kambana ilay mpampinono ka mila hery sy otrikaina bebe kokoa ny vatana ho an’ireo zaza ao an-kibo.

Lire la suite

Articles Similaires