• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes
Image
Reny&Zaza

Mahazo mitondra « moto » na kodiaran-droa ve ny bevohoka ?

28/05/2024 16:26 © Moov.Mg

Miteraka fanontaniana sy adihevitra maro ny mikasika ny fahafahan’ny bevohoka mitondra « moto » na kodiaran-droa. Tsy misy lalàna manokana mandrara ny bevohoka tsy hitondra na hitaingina « moto » aloha hatreto. Mila mitandrina tsara kosa nefa ny bevohoka mba hiarovana ny fahasalamany sy ny an’ny zaza ao an-kibo.

Ireo zavatra atahorana eo amin’ny bevohoka mitondra « moto »

Rehefa vao mitoe-jaza iny ny vehivavy matetika dia maloiloy, reraka, tsy dia mifantoka tsara hany ka hatahorana hiaran’ny loza ara-pifamoivozana kokoa rehefa mitondra kodiaran-droa. Marina fa tsy voatery haloiloy rehefa mitoe-jaza. Iraisan’ny bevohoka rehetra kosa nefa ny havizanana, te hatory lava sy tsy fahavitana mifantoka tsara.
Raha sanatria iharan’ny lozam-pifamoivoizana ny bevohoka teo am-pitondrana « moto » dia maro ireo voka-dratsy mety ateraky ny fianjerana, toy ny « hémorragies internes », ny fahatapahan’ny taolana, ny fandehanan’ny rà tsy ara-dalàna, ny fiendahan’ny ahitra…
Isan’ny atahorana eo amin’ny bevohoka mitondra na mitaingina kodiaran-droa ihany koa ny fihovitrovitr’ity farany. Voalaza tokoa mantsy fa mety manembatsembana ny fitombon’ny zaza ao an-kibo izany fihovitrovitry ny « moto » izany, indrindra rehefa mandeha lalana mikitaotaona na koa raha ireny « moto » lehibe sy matanjaka ireny no entina.

Rehefa inona no tsy mahazo mitondra « moto » ny bevohoka ?

Araka ny voalaza teo ambony dia tsy misy lalàna mandrara ny bevohoka tsy hitondra na hitaingina kodiaran-droa. Misy kosa nefa ireo tsy avelan’ny mpitsabo na rasazy manao izany noho ny antony manokana toy ny hoe :
-Niendaka ny ahitra ;
-Nofatorana ny vozon’ny tranon-jaza ;
-Efa afa-jaza matetika teo aloha.
Mba ho fisorohana ny loza moa dia maro ireo mpitsabo no manentana ny bevohoka tsy hitondra na hitaingina « moto » intsony rehefa mihoatra ny 3 volana ny kibo. Rehefa mitombo tokoa mantsy ny kibo dia mety hitera-doza eo amin’ny zaza ny « choc » na ny fianjerana tsy nahy teo am-pitaingainana « moto ».

Torohevitra raha tsy maintsy hitaingina « moto » rehefa bevohoka

Raha tsy maintsy hitondra na hitaingina « moto » ny vehivavy bevohoka dia ny fitandremana no tsy maintsy atao ambony mba hiarovana ny fahasalamany sy ny an’ny zaza ao-kibo. Atomboka amin’ny fakana ny hevitry ny mpitsabo na ny rasazy mampisafo moa izany. Raha mahazo alalana avy amin’ireto farany dia mitandrina tsara rehefa mitaingina « moto » :
-Miezaka mba lalana tsara sy tsy mikitaotaona no handehanana ;
-Fadiana ny mandeha lavitra loatra. Mijanojanona maka aina kely rehefa mila mandeha lavitra ;
-Mihaino tsara ny vatana. Mijanona maka aina raha mahatsapa vizaka, fanimpanina, misy manaintaina…

Lire la suite

Articles Similaires