• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vidal.Fr
Image
Reny&Zaza

Zaza vao teraka : ny antony hanindromana azy vitamina K1

26/05/2024 15:27 © Moov.Mg

Maro amin’ny reny tera-bao no tsy mahafantatra hoe inona ilay tsindrona voalohany atao amin’ny zazakely vao teraka iny, dia ny vitamina K1 izany. Fa inona no antony hanindromana vitamina K1 ny zaza ? Tsy maintsy atao tsindrona ve io izy io ?

Inona no antony hanindromana vitamina K1 ny zaza vao teraka ?

Ny atin’ny olombelona tsirairay dia mamokatra singa iray manakana ny fahaverezan-drà. Satria mbola tsy maoty ny vatan’ny zaza vao teraka, indrindra ny zaza teraka tsy tonga volana, dia mbola tsy mamokatra io singa io manakana ny fahaverezan-drà io ny atiny.
Ny vitamina K1 dia manampy amin’io tsy fahaverezan-drà be io. Efa misy tahirin’io vitamina K1 io ihany ao amin’ny vatan’ny zaza vao teraka fa mbola kely dia kely ny tahan’izany. Noho izany dia atahorana hitrangan’ny fahaverezan-drà be ny zaza hatramin’ny faha enim-bolany.
Marihana moa fa samy tsy mahavita mameno ny filana vitamina K1 ilain’ny vatan’ny zaza ny ao anatin’ny rononon-dreny sy ny solondronono, eny na dia mihinana sakafo be vitamina K azy ny mpampinono.
Noho ireo antony ireo no hanindromana vitamina K1 ny zaza rehetra vao teraka. Eo amin’ny fe moa no atao izany tsindrona izany ary tsy tokony ho dila ny adiny 6 aorian’ny nahaterahan’ilay zaza.

Ahoana ny atao raha tsy vita tamin’ny vao teraka ny tsindrona vitamina K1 ?

Arak’ireo fanazavana teo ambony ireo dia tena ilain’ny vatan’ny zaza vao teraka ny vitamina K1 mba hiarovana azy amin’ny mety hitrangan’ny fahaverezan-drà be. Raha sendra tsy vita ilay tsindrona tao anatin’ny adiny 6 taorian’ny naterahany dia afaka omena azy am-bava ny vitamina K1. Atao intelo miantoana ny hanomenazana azy izany.
-Ny voalohany alohan'ny hanomezana solondronono voalohany ny zaza
-Ny faharoa rehefa feno tapa-bolana na 1 volana ny zaza
-Ary ny fahatelo farany rehefa feno 1 volana sy tapany na 2 volana ny zaza
Amin’ny ankapobeny dia omena am-bava an'iny vitamine K1 iny ny zaza rehefa feno 4 andro, sy rehefa feno 1 volana. Misy ihany koa nefa ireo omena izany isan-kerinandro. Miankina amin'ny zava-nitranga teo am-piterahana no hatetiky ny fanomezana azy io. Mety misy tokoa mantsy anton-javatra mety hahatonga fahaferezan-drà eo amin’ny zaza, toy ny fampiasana « ventouse » teo am-piterahana ka hatahorana hampisy rà very ao anaty karandohan'ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires