• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nrpyrenees.Fr
Image
Reny&Zaza

Reny mampinono : tsy dia tsara manala nify

22/05/2024 09:49 © Moov.Mg

Maro tokoa ny reny mampinono ampijalian’ny areti-nify. Anisan’ny mahatonga izany fihenan’ny otrikaina ao anaty vatana noho ny famokarana ny rononon-dreny, ny havizanana, ny tsy fahampian’ny sakafo mitondra otrikaina… Raha azo atao dia aleo amboarina ny nify marary fa tsy esorina rehefa mbola mampinono. Araho ary ny fanazavana mikasik’izany.

Ny antony tsy tokony hanesorana ny nify rehefa mampinono

Mampijaly tokoa ny fanaintainana vokatry ny fahasimban’ny nify, indrindra raha mampinono. Raha mbola vao manomboka mandaoka ny nify marary dia aleo manantona mpitsabo nify mba hitsaboana sy hanampenana izany. Maro ireo antony tsy tsara halana nify rehefa mampinono :
Hatahorana hanao « hémorragie » na hoe ho very rà be loatra ny reny mampinono. Rehefa manala nify dia misy rà betsaka mivoaka eo amin’ny nipetahan’ny fotony satria misy lalandrà ao. Marihana nefa fa avy amin’ny otrikaina ao amin’ny rà ny famokaran’ny vatana ny rononon-dreny. Raha toa ka very rà be ilay mpampinono eo am-panalana nify dia lasa mihena ny rà hitondra otrikana ny vatana miantoka ny famokarana rononon-dreny.
Voalaza fa mety misy ampahany amin’ny « anesthésie » ampiasaina rehefa manala nify miditra ao anatin’ny rononon-dreny. Izany hoe mety misy tafiditra ao amin’ny vatan’ny zaza izany rehefa minono izy. Mazava ho azy fa tsy mahatsara ny fahasalaman’ny zaza ny fidiran’ny « anethésie » ao anatiny satria tsy natao ho azy izany.

Ireo fitandremana atao hiarovana ny nify tsy ho simba rehefa mampinono

Efa resahana ombieny ireo fomba atao hikolokoloana ny nify mba tsy ho simba. Marefo kokoa ny nifin’ny reny mampinono noho ny vatany mila otrikaina betsaka kokoa amin’ny famokarana rononon-dreny. Mba hisorohana ny fahasimban’ny nify ary dia mila :
-Miborosy nify matetika, in-telo isan’andro, mba hanesorana ny poti-kanina tavela anatin’ny vava sy ny bakteria ratsy mety hanimba ny nify ;
-Mihinana sakafo manankarena otrikaina. Izany hoe ny sakafo mitahiry kalsioma, « magnésium » ary vitamina no atao betsaka fa tsy ny vary fotsiny ihany ;
-Maka fotoana hakana. Mitroka ny otrikaina mahamafy ny nify ihany koa ny havizanana diso tafahoatra. Tsy tokony manao vizaka be izany ny mpampinono. Rehefa misy fotoana kely dia matory hamerenana ny aina.

Lire la suite

Articles Similaires