• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny fampandroana zaza

21/05/2024 14:24 © Moov.Mg

Mananosarotra tokoa ny mampandro zaza, indrindra ny zaza voalohany. Maro ireo zavatra mety mampitaitaina toy ny faharetan’ny fampandroana, ny hatetik’izany anatin’ny herinandro, ny fitaovana tsara ampiasaina… ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo zavatra rehetra fantatra mikasika ny fampandroana ny zaza.

Impiry no tokony mampandro zaza ?

Ilaina amin’ny fikolokoloana ny zaza amin’ny andavanandro ny fampandroana azy. Miantoka ny fahadiovana sy ny fisorohana ireo faritra masaka amin’ny vatany ny fanaovana izany. Rehefa tafody soamantsara any an-trano ny reny sy ny zaza dia afaka atomboka ampandroina ny zazakely. Atomboka isaky ny 2 na 3 andro ny fampandroana zaza. Rehefa afaka herinandro vitsy dia ampandroina isan’andro amin’izay ny zazakely. Amin’ny andro tsy ampandroana azy dia diovina ny tanana, tongotra, ambadiky ny sofina ary ireo faritra mivalombalona amin’ny vatana izay atahorana ho masaka.

Oviana no fotoana tsara ampandroana ny zaza ?

Fanontaniana manitikitika ny sain’ny ray aman-dreny ihany koa ny hoe oviana no tsara ampandroana ny zaza, maraina sa hariva ? Ny hariva ny tsara ampandroana ny zaza mba hampatory tsara azy amin’ny alina. Mahazo aina tokoa mantsy ny vatany rehefa avy mandro izy dia lasa matory be. Mazava ho azy fa raha atao maraina ny fampandroana azy dia mety hatory be ihany koa izy aorian’izay. Mikasika ny faharetan’ny fampandroana dia eo ho eo amin’ny 5 minitra eo ho an’ny zaza latsaky ny 10 volana ary 10 hatramin’ny 15 minitra eo ho eo ho an’ny 10 volana no miakatra.

Ireo tsara homanina rehefa alohan’ny hampandro zaza

Mila homanina tsara avokoa ny toerana ampandroana ny zaza sy ny fitaovana ampiasana amin’izany alohan’ny hanesorana ny akanjony. Ny atao voalohany dia ny manomana ny akanjo rehetra sy ny serveta hamafana azy rehefa avy mandro. Tsara raha tonga dia apetraka eo amin’ny toerana hanoloana ny akanjon’ny zaza rehefa avy mandro. Manarak’izany ireo zavatra ilaina amin’ny fampandroana toy ny savony hanasana ny vatana sy ny loha. Rehefa vonona ireo rehetra ireo dia hidiana ny varavarankely ary amboarina ny rano. Tokony manodidina ny 37°C ny hafanan’ny rano anaty koveta fampandroana.

Ny fomba fampandroana ny zaza

Mila fitandremana ary indrindra fahazarana ny mampandro zaza. Tsara raha misy manoro amin’ny voalohany dia manao izany irery amin’ny izany ny ray aman-dreny avy eo. Atomboka amin’ny loha no fampandroana. Tsy atondraka amin’ny lohany ny rano fa ny tanana no asiana rano tsikelikely. Tsy kosehana mafy ihany koa. Tsara raha mampiasa « gant de toilette » hikosehana mora ny loha sy ny vatan’ny zaza. Miaraka kobanina ny loha sy ny vatana rehefa vita savony. Rehefa voakobana tsara dia fonosina serveta ny vatany hatrany amin’ny lohany. Fafana tsara (tsy kosehina) avokoa ny miforitra rehetra. Hosorana diloilo na « huile d’amande douce » ny kibo, ny tratra sy ny lamosiny. Somary orina kely. Ampiankajoana ary omena nono ny zaza rehefa vita.

Lire la suite

Articles Similaires