• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Petits Chaperons Rouges
Image
Reny&Zaza

Tokony avela handeha tsy manao kiraro ve ny zaza ?

06/05/2026 13:16 © Moov.Mg

Rehefa manomboka mijoro sy manao dingana voalohany ny zaza dia matetika mipetraka ny fanontaniana hoe : tokony hampanaovina kiraro ve izy sa avela tsy manao kiraro ? Raha nasaina nampanaovina kiraro manohana ny kitrokely na « bottines » ny zaza taloha dia ankehitriny efa niova izany. Araky ny ambaran’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana dia ny mandeha tsy manao kiraro no tsara indrindra ho an’ny zaza miana-mandeha.

Ny tongotry ny zaza : fitaovana ianarany mandeha

Zava-dehibe ny mahafantatra fa mbola tsy tena matotra ny tongotry ny zaza :
-mbola malefaka ny taolany,
-mbola mivoatra ny hozany,
-mbola tsy voaorina tsara ny faladiany.
Midika izany fa mbola eo am-pivoarana tanteraka ny tongony, ka mila fahalalahana mihetsika izy mba hivoatra tsara.

Ny tombontsoa azo amin’ny mandeha tsy manao kiraro

Maro ny tombontsoa azon’ny zaza amin’ny fandehanana tsy manao kiraro :

Mahatsapa tsara ny tany

Betsaka ny “capteurs” ao amin’ny tongotra. Rehefa tsy manao kiraro ny zaza dia :
-mahatsapa tsara ny karazan-tany (gorodona, karipetra, hazo…),
-mahay mampifanaraka ny fihetsiny amin’ny tany,
-mora mahazo fifandanjana.
Tena manampy azy hianatra mijoro sy mandeha izany.

Manamafy ny hozatra

Rehefa tsy voafatotra na teren’ny kiraro ny tongotry ny zaza dia :
-afaka miparitaka sy mifikitra amin’ny tany ny rantsan-tongony,
-miasa tsara ny hozatra,
-mivoatra ara-dalàna ny faladiany.

Manatsara ny fifandanjana sy ny fandrindrana

Ny mandeha tsy manao kiraro dia manampy ny zaza :
-hifehy ny fihetsiny,
-hanitsy ny diany,
-hahazo fitoniana bebe kokoa.
Izany no mahatonga azy hahay mandeha haingana kokoa sy matoky tena.

Ilaina ve ny kiraro ?

Ilaina ihany, fa tsy amin’ny fianarana mandeha.

Ao an-trano

Raha azo antoka ny tontolo :
-aleo avela tsy manao kiraro ny zaza,
-na mampiasa ba kiraro misy « anti-dérapant » raha malama ny tany,
Izany no tsara indrindra ho an’ny fivoarany.

Any ivelany

Any ivelany kosa dia ilaina ny kiraro mba :
-hiarovana amin’ny hatsiaka na hafanana,
-hisorohana ratra (vato, vera, sns),
-hitazomana fahadiovana,
Mila safidiana tsara kosa nefa ny kiraro ampanaovina ny zaza : malefaka, maivana, manaraka tsara ny endriky ny tongotra, misy faladia manify.

Fahadisoana tokony hialana

Ireto misy zavatra matetika ataon’ny ray aman-dreny nefa tsy tsara loatra :
-mampanao kiraro aloha loatra ny zaza (mbola tsy mandeha akory),
-misafidy kiraro mafy “hihazona tongotra”,
-mampanao kiraro tery na malalaka loatra.
Mety hisy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny tongotra izany.

Inona no lazain’ny manam-pahaizana ?

Ny dokotera sy ny manam-pahaizana momba ny zaza dia manoro hevitra ny hamelana ny zaza tsy hanao kiraro araka izay azo atao, satria izany no manampy indrindra amin’ny fivoaran’ny tongony sy ny fahaizany mihetsika.

Lire la suite

Articles Similaires