Fahasalaman’ny zaza : ireo fahasarotana mety ateraky ny kitrotro
Ny kitrotro dia anisan’ireo aretina mpahazo ny zaza sy ny ankizy. Mbola maro ny ray aman-dreny manao tsirabina azy io nefa dia otrikaretina avy amin’ny viriosy isan’ny tena mahery izy io. Raha tsy voatsabo sy voaray an-tanana ara-dalàna dia mety hisy fiantraikany ratsy tokoa, indrindra eo amin’ny zazakely. Andeha ho fantarina eto ireo mety ho fahasarotana ara-pahasalamana ateraky ny kitrotro eo amin’ny zaza.
Kitrotro : mety mitarika fahasarotana eo amin’ny taovam-pisefoan’ny zaza
Isan’ireo fahasarotan’ny aretina kitrotro eo amin’ny zaza ny « pneumonie ». Ity farany moa dia aretin’ny taovam-pisefoana tena mahery vaika ka mety mahafaty raha tsy voatsabo ara-dalàna. Mety manafika mivantana ny taovam-pisefoan’ny zaza ny viriosin’ny kitrotro ka mahatonga ny avokavoka ho marefo sy mora andairan’ny « surinfections » avy amin’ny bakteria, toy ireo mahatonga ny « pneumonie ». Mety mihombo haingana be ny « pneumonie » ka mahasempotra ny zaza. Raha izany no mitranga dia mila entina toeram-pitsaboana malaky ilay zaza marary.
Fahasarotana « neurologiques »
Na dia tsy dia mahalana be aza vao misy ny fahasarotana « neurologique » ateraky ny kitrotro dia sokajiana isan’ny tena « graves » izany. Anisan’ireo mety mitranga ny « encéphalite » izay « inflammation » ny atidoha. Mety miseho afaka fotoana vitsy aorian’ny nahavoan’ny kitrotro ilay zaza izy io. Anisan’ireo soritr’aretin’ny « encéphalite » ny hoe mifanintona, manavy, « altération de la conscience ». Mety mitarika « lésions cérébrales permanentes » ny « encéphalite » avy amin’ny kitrotro. Izany dia mety hiteraka fahatarana eo amin’ny fitombon’ny zaza, « déficience intellectuelle » na aretin-tsaina.
Fahasarotana hafa ateraky ny kitrotro : olana eo amin’ny sofina sy ny maso
Matetika mitranga eo amin’ny zaza voan’ny kitrotro ny « otites » izay « infections » mahavoa ny sofina. Mety tena manaintaina be izy io ary raha tsy voatsabo dia mety hahatonga olana amin’ny fahenoana. Ankoatra izay dia mety hahatonga « conjonctivite » ny kitrotro eo amin’ny zaza. Izany dia mety hiteraka tsy fahazakana hazavana, na amin’ny tranga vitsy hampisy « lésions cornéennes ».
Vaksiny : ny fanefitra azo antoka hisorohana ny kitrotro
Azo sorohana amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny ny kitrotro. Ny vaksiny fanefitry ny kitrotro, donika sy « rubéole » (ROR) dia fomba fisorohana mahomby hitandrovana ny fahasalaman’ny zaza sy ny ankizy. Mila hajaina tsara ny fotoana hanatanterahana io vaksiny io, arakaraky ny taonan’ny zaza, mba hampandaitra azy tanteraka.