Fahasalamana : ireo fanatanjahantena tsara atao aorian’ny faha 50 taona
Maro amintsika no mihevitra fa rehefa manomboka mahazo taona dia tsy tokony hanao fanantanjahantena intsony. Araka ny voka-pikarohana nataon’ireo manampahaizana nefa dia voalaza fa mbola afaka ary mila manao fanantanjahantena ny vatana na efa mihoatra ny 50 taona àry. Inona avy ary ireo karazana fanatanjahantena tsara atao aorian’ny faha 50 taona ?
Ny dia maika hikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà
Ny dia maika no isan’ireo fanatanjahantena mora atao sy mandaitra indrindra ho an’ireo olona 50 taona no mihoatra, indrindra ireo vao hanomboka. Tsy mila fitaovana manokana ary ambany kokoa ny « risques » mety hamparatra amin’ny fanaovana azy ity. Ny fanaovana dia maika 30 minitra dia manala eo amin’ny 150 hatramin’ny 200 kaloria eo ho eo. Ankoatra izay dia manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà ity karazana fanatanjahantena ity. Azo ampifandimbiasana amin’ny dia tongotra izy izy io ho an’ireo tsy zatra manao fanatanjahantena.
Ny lomano hitazomana ny fahasalaman’ny vanintaolana
Fanatanjahantena iray isan’ny mampihetsika ireo faritra rehetra amin’ny vatana ny lomano. Mety tsara ho an’ny ireo 50 taona ny mihaotra ny fanaovana azy ity mba hikolokoloana ny fahasalaman’ny vanintaolana. Ireto farany tokoa mantsy dia mihamarefo rehefa mihamahazo taona ny olona iray. Ny filomanosana mandritra ny 45 minitra dia mampiasa ny 80% ny hozatra amin’ny vatana nefa sady miaro ny vanintaolana. Araky ny antontan’isa navoakan’ireo mpikaroka any ivelany dia voalaza ny 78% an’ireo olona mihoatra ny 50 taona mazoto milomano dia mahatsapa fa mihena ny « douleurs articulaires chroniques » mahazo azy ireo.
Ny « yoga » sady mampiasa no mampitony ny vatana
Anisan’ireo fanatanjahanatena tsara ataon’ireo 50 taona no miakatra ny « yoga ». Miasa avokoa ny vatana iray manontolo rehefa manao azy ity. Izany dia manamafy ny hozatra, manatsara ny « équilibre » sy ny « souplesse » ary mampitombo ny hery amin’ny alalan’ireo « exercices » atao. Ankoatra izay dia mampitony ny vatana sy ny saina ny « yoga » ka tsy atahorana hamizaka be na handratra ireo olona efa nahazo taona izay manao azy io.
Fanamarihana
Marina fa afaka ary mila manao fanatanjahantena ny olona 50 taona no mihoatra. Tsara hatrany nefa ny manantona mpitsabo alohan’ny hanombohana na hiverenana manao fanatanjahantena. Misy tokoa mantsy ireo fizahana tsara atao ahitana sao misy olana ara-pahasalamana tsy ahafahana manao fanatanjahantena na koa ahitana ireo fepetra tsara arahana.